Tantara mikasika ny Kamerona
Dinika nasionaly ao Kamerona diso lalana
Nanomboka tamin'ny alatsinainy 30 septambra 2019 ny herinandro fifampiresahana hamaranana ny ady ifanaovan'ny tafiky ny governemanta sy ny milisin'ny faritra miteny anglisy ao Kamerona, ary tontosaina ao amin'ny renivohitry ny firenena ao Yaoundé izany. Na izany aza, mitarazoka ao amin'ny tahotra ny olompirenena fa tsy hampitsahatra ny krizy ny fifampiresaham-pandriampahalemana.
Kamerona: Manao fanadiovana i Yaoundé mialohan'ny fahatongavan'ny Papa
Fitsidihan'ny papa Benoit XVI an'i Kamerona ny 17 ka hatramin'ny 24 martsa 2009. Manosika ireo tomponandraikitra handray fepetra ifotony mikasika ny fanadiovana izany,
Lasa malaza maneran-tany i Samuel Eto'o, Kameroney kintan'ny baolina kitra, ary handeha hisotro ronono amin'ny faha-38 taonany
Mpilalao tanora indrindra tamin'ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany tamin'ny 1998 tany Frantsa, nahavita fahombiazana tsara be i Eto'o tany amin'ny nisy azy niaraka tamin'ny klioba niofanany, ny Akademia Kaji Sports, talohan'ny nifindrany tao amin'ny Real Madrid ho toy ny mpilalao tanora, tamin'ny faha-15 taonany.
Mety tsy hiatrika ny fifanitsanana iraisam-pirenena izay atrehany voalohany ny ekipan'ny mpilalao baolina kitra manana fahasembanana any Kamerona
Niforona tamin'ny volana Martsa tamin'ny heintaona ny ekipan'ny mpilalao tapa-tongotra Kameroney ary mila ny fandraisana anjara iraisam-pirenena mba hahazoany fankatoavana avy amin'ny Federasionan'ny Baolina Kitra ho an'ny Mpilalao Tapa-tongotra Maneran-tany. Tsy mbola misy antenaina anefa ny momba ny dian'izy ireo.
Matahotra ny handefa ny ankizy hiverina an-tsekoly ao anatin'ny ady mitam-piadiana ireo ray aman-dreny Kameroney
Any Kamerona, nampiasa ny fanaovana ankivy ny sekoly ireo separatista ho adi-varotra. Namono sy naka an-keriny ireo mpampianatra tany amin'ny faritra miteny Anglisy ireo mpiady mba tsy hanokafana indray ny sekoly raha tsy voavaly ny fitakiana.
Mety hiatrika “sazy ho faty” ny Kameroney satria mandrahona hanala ny fanafody antiretroviral ny Global Fund
Matahotra ny tsy fisian'ny fanafody ARV intsony ireo Kameroney miaina amin'ny VIH satria mandrahona hanala izany ny Global Fund noho ny fitomboan'ny trosan'i Kamerona efa ho 47 tapitrisa dolara.
Ady mafy vao nahazo anjaran-tsehatra ao amin'ny ‘Fast and Furious 9′ ity mpanao haiady avy any Kamerona ity
Hipoitra ao amin'ny “Fast and Furious 9” ka hitoetra ho Afrikana faharoa hivoaka amin'ilay andian-tantara ity mpiadin'ny Ultimate Fighting Championship (UFC) sy ny Mixed Martial Arts (MMA) avy ao Kamerona ity.
Afrika Andrefana: Ireo anganongano ara-tantara efatra momba an'i Kamerona
Manomboka amin'ny fanamarihana momba ny literatiora ny fitsidihana bilaogy amin'ity herinandro ity, miaraka amin'ny fanadihadian'ny Voice in the Desert momba ny The Door of No Return - boky natao ho an'ny ankizy:
African music (#6)
Tsy mbalax ny gadona Soukous, sady tsy afro-funk , tsy rumba, tsy Ethio-jazz, tsy Afrobeat [...] tsy Merseybeat ny Metal
Taratasy misokatra fanakianana an'i Sarkozy, avy amin'ireo Afrikàna mpanoratra
Maro ireo afrikana mpanoratra sy bilaogera no niaraka nanao sonia an'ilay taratasin'i Raharimanana, ary navoaka tao amin'ny gazety «Libération ». [...] "Ny tena tiako amin'i Raharimanana, dia ny hatezerana. Misy ireo tsy voasakan'ny fieritreretana ny hoavin'i Afrika ny torimasony. Fa izy, tsapa matetika ao anatiny ny fahamangànana, ny ratram-po lalina...