Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2019

Tantara mikasika ny Kamerona tamin'ny Oktobra, 2019

Dinika nasionaly ao Kamerona diso lalana

Nanomboka tamin'ny alatsinainy 30 septambra 2019 ny herinandro fifampiresahana hamaranana ny ady ifanaovan'ny tafiky ny governemanta sy ny milisin'ny faritra miteny anglisy ao Kamerona, ary tontosaina ao amin'ny renivohitry ny firenena ao Yaoundé izany. Na izany aza, mitarazoka ao amin'ny tahotra ny olompirenena fa tsy hampitsahatra ny krizy ny fifampiresaham-pandriampahalemana.

Kamerona: Manao fanadiovana i Yaoundé mialohan'ny fahatongavan'ny Papa

Fitsidihan'ny papa Benoit XVI an'i Kamerona ny 17 ka hatramin'ny 24 martsa 2009. Manosika ireo tomponandraikitra handray fepetra ifotony mikasika ny fanadiovana izany,

Lasa malaza maneran-tany i Samuel Eto'o, Kameroney kintan'ny baolina kitra, ary handeha hisotro ronono amin'ny faha-38 taonany

Mpilalao tanora indrindra tamin'ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany tamin'ny 1998 tany Frantsa, nahavita fahombiazana tsara be i Eto'o tany amin'ny nisy azy niaraka tamin'ny klioba niofanany, ny Akademia Kaji Sports, talohan'ny nifindrany tao amin'ny Real Madrid ho toy ny mpilalao tanora, tamin'ny faha-15 taonany.

Mety tsy hiatrika ny fifanitsanana iraisam-pirenena izay atrehany voalohany ny ekipan'ny mpilalao baolina kitra manana fahasembanana any Kamerona

Niforona tamin'ny volana Martsa tamin'ny heintaona ny ekipan'ny mpilalao tapa-tongotra Kameroney ary mila ny fandraisana anjara iraisam-pirenena mba hahazoany fankatoavana avy amin'ny Federasionan'ny Baolina Kitra ho an'ny Mpilalao Tapa-tongotra Maneran-tany. Tsy mbola misy antenaina anefa ny momba ny dian'izy ireo.