Mitombo ny tranga COVID-19 ao Kamerona, mpitondra fivavahana iray milaza fa mety ny raokandrony

Tale ao Kamerona misahana ny programa sy ny siansa miara-miasa amin'ny CDC, Dr. Clement Ndongmo, manaramaso ny arofenitra fitiliana COVID-19 amin'ireo mpandeha tonga ao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Nsimalen ao Yaoundé, Kamerona, 1 Jolay 2020 via CDC/Flickr CC BY 2.0.

Nisy ihany ny fisalasalana rehefa nanao fanambarana ny Arseveka Samuel Kleda avy ao amin'ny arsidiôsezin'i Douala ao Kamerona fa nahita ny itsaboana ny COVID-19 izy tamin'ny Avrily 2020.

Saingy ankehitriny, raha nanakaiky ny 15.000 ny tratra ary mihoatra ny 11.500 ny sitrana ao amin'ny firenena, nilaza ny eveka Kleda fa marary 1500 no nankany aminy hanandrana ny fitsaboana nanomboka hatramin'ny avrily lasa teo.

Ao Kamerona, ny hajaina Reverend Samuel Kleda Arseveka avy amin'ny Arsidiôsezy Metropolitana ao Douala, no manana fangaron-javamaniry izay lazaina ho nanasitrana ny sasantsasany amin'ny mararin'ny Coronavirus.
Efa nihoatra ny 30 taona no nianarany momba ireo zavamaniry ireo.

Nolazain'ilay mpitondra fivavahana ny fahitany ireo marary mijaly amin'ny olana ara-pisefoana rehefa voatily ho miabo ahitana ilay viriosy..

Anjatony ireo nirohotra haka ny raokandron'ny Arseveka ‘hanasitranana’ amin'ny Covid-19 ao Kamerona. Ny lazan'ny lazaina ho raokandro mahasitrana an'ny Arseveka no nahatonga ny manampahefana sasantsasany manao izay hanapariahana kokoa ilay fombam-pitsaboana.

“Mandray ireo olona manam-pahasarotana amin'ny fisefoana izahay. Ary 24 ora aty aoriana, manomboka misefo tsara ara-dalàna ry zareo,” Hoy ny Eveka Kleda tamin'ny fampitam-baovaom-panjakana ao Kamerona, ny CRTV, tamin'ny 7 jolay.

Nilaza ny Eveka Kleda, izay efa nianatra ny zavamaniry nandritra ny 30 taona, fa miasa miaraka amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana ao Kamerona izy hahalasa lavitra kokoa ny fanafodiny — izay fangaron-javamaniry nentim-paharazana.

Tany amin'ny fiandohan'ny volana jona, nambarany tamin'ny fomba ofisialy ny anarana “Elixir COVID:”

Arsevekan'i Douala, Samuel Kleda namoaka ampahibemaso ny anarana itsaboana ny COVID-19.
Ao Douala amin'izao fotoana, niantso ny fitsaboana amin'ny zavamaniry ho Exilir Covid sy Adsak Covid izy.
Tonga izao hetsika nataon'ny Arseveka izao rehefa avy nihaona tamin'ny PM izy izay  nampanantenain'ny governemanta azy ny fanohanana ilay fomba fitsaboana.

“Miasa miaraka amin'ny minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka aho. Manao fandinihana ireo fanafody izahay sy ireo marika mety ho hita amin'ireo tsaboina.,” hoy ny nolazainy.

Na dia mbola mandalo famotopotorana aza ity raokandro ity dia mino ny dokotera Ange Gilbert Kameni avy ao amin'ny Foibem-pitsaboana avy ao amin'ny arsidiôsezin'i Douala fa “mahomby amin'ny fitsaboana iadiana amin'ny coronavirus” ity lazaina ho fanafody ity.

Nankatoavin'ny parlemanta ao Kamerona ny fampiasana fanafody nentimpaharazana mba hampihemotra ny  COVID-19 sy handrisihana ny governemanta hampiasa vola amin'ny fikarohana izay mety ho fitsaboana.

Nisioka ny Praiminisitra tamin'ny faramparan'ny volana mey:

Tohanan'ny governemanta ny fitadiavam-bahaolana ao an-toerana, ary mifanaraka indrindra amin'ny toromarika nomen'i @PR_Paul_BIYA tamin'n19 mey 2020: “Mandrisika ihany koa aho ireo ezaka rehetra hampivelarana ny fitsaboana #COVID19 avy ato anatiny. ” #PaulBiya #BiyaSpeech #StopCOVID19 #Cameroun

Tamin'ny volana mey, anefa, ny m governemanta namoaka fanambaràna” mampitandrina ireo befilaza ho afa-mitsabo  COVID-19 nefa hangorom-bola amin'ny vahoaka miaritra na manahy noho ilay viriosy.”

Nilaza ny OMS faritra Afrika fa tsy mbola misy ny fanafody mahasitrana amin'ilay coronavirus mahafaty — na dia “manohana ireo fitsaboana nentim-paharazana efa voaporofo ara-tsiantifika aza.”

Iray amin'ireo firenena atsimon'i Sahara asian'ny COVID-19 mafy mihitsy i Kamerona na dia mbola ambanin'ny 150.000 amin'ny mponina 26 tapitrisa ao aminy aza no vita fitiliana.

Mampitandrina ny OMS na Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana fa mety hitarika mankany amin'ny valan'aretina mandripaka mangina ny fahavitsian'ny fitiliana tontosaina eto Afrika

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.