Tantara mikasika ny Kamerona tamin'ny Janoary, 2012
Afrika : CAN 2012, Fihodinana Voalohany Feno Zava-tsy Nampoizina
Nitahiry zava-tsy nampoizina maro ho an'ireo firenena sangany toa an'i Sénégal sy Maraoka ny fihodinana voalohan'ny CAN 2012, efa nihintsana sahady. Ireo mpiondana aterineto aty Afrika dia naneho hevitra momba ireny vokatra ireny izay nahaliana ny rehetra nanerana ny kaontinanta.
Nanao Jery Todika Ny Taona 2011 ny Global Voices “Néerlandais”
Raha toa ny taona 2012 ka efa mandeha tsara amin'ny làlany, ireo mpandika teny ao amin'ny Global Voices "néerlandais" dia nanao jery todika ny taona 2011. Inona ny lahatsoratra niavaka indrindra ary inona no mampiavaka ny Global Voices ?
Kamerona: Nosamborina Fa Voampanga Ho Mpangalatra Ilay Mpanoratra sady Mpamaha-Bolongana Enoh Meyomesse
Enoh Meyomesse, mpanoratra Kameroney no sady mpamaham-bolongana no voasambotra tamin'ny 22 Novambra 2011, tao antseranam-piaramanidina Nsimalen ao Yaoundé, ao Kamerona, raha avy tany Singapore izy. Nampangain'ny fitsarana ady miaramila Bertoua, ao atsinanan'ny firenena,...
Kamerona: Gidragidra Mahatsiravina Teo Amin'ny Mpitondra Taxi Moto Sy Ny Mponina Ao Douala
Raikitra ny rotaka teo amin'ny mponin'ny distrikan'i Deido faritra be mponina ao Douala, renivohitra ara-toekaren'i Kamerona sy ny mpitondra taxi moto antsoina ihany koa hoe "benskiners" tamin'ny 31 desambra 2011. Mitantara ny hitany ny mpamaham-bolongana