Tantara mikasika ny Kamerona tamin'ny Mey, 2013
Kamerona: Enoh Meyomesse, Bilaogera Mbola Any Am-ponja
Mpanoratra Kamerone sady mpibilaogy atao hoe Enoh Meyomesse no voafonja any Yaoundé, renivohitr'i Kamerona, nandritra ny 17 volana mahery. Voahendrikendrika ho nangalatra sy nivarotra volamena tsy ara-dalàna izy, nohelohin'ny tribonaly miaramilan'i Yaoundé higadra nandritra ny fito taona an-tranomaizina izy, taorian'ny dingana maro izay heverin'ireo fikambanana maro ho tsy ara-drariny. Maro no miahiahy fa Meyomesse, izay nahazo ny Oxfam Novib/PEN Award tamin'ny 2013 ary ankehitriny mpikambana am-boninahitra ao amin'ny Foibe Amerikana PEN , dia miatrika fitsarana ara-politika izay mikasa hanakombonana vava ny iray amin'ireo olona manampahaizana izay tena miroborobo fatratra any Kamerona.
Takalon'Aina sy ny Tambiny : Politika Manao Ahoana ny An'i Frantsa ?
Tokony ho telo volana taorian'ny fanapaha-kevitr'i François Hollande hampitsaharana ny fandoavana tambiny ho an'ireo mpanao takalon'aina, dia navotsotra ihany ny ankohonana Moulin-Fournier, izay niteraka sento ho an'ny fianakaviana sy ny...