Tantara mikasika ny efitrano famoahambaovao
Inona No Fikan'antitra Atoron'ny Renibenao Hitsaboana An'Ity?
Dite manokana ho an'ny aretin'andoha ve? Mantra ho an'ny andro ratsy? Tianay hasongadina ao anatin'ny lahatsoratra iray ifandrimbonana ireo fanafody izay natolotr'ireo reniben'ny mpandray anjara ato amin'ny GV.
Mety hisy fiantraikany aminao ve ny Brexit ?
Nikaroka fijoroana vavolombelona avy amin'ny vondrom-piarahamonina mpikambana ato amin'ny Global Voices izahay mikasika ny mety ho fiantraikan'ny Brexit aminy.
Iza no tantara tianao indrindra tato amin'ny Global Voices tamin'ny taona 2015?
Misy fomba tsara hafa kokoa hankalazana ny Taom-baovao ankoatra ireo tantara izay atolotry ny vondrom-piarahamonina Global Voices manokana ve?
Teknika Lingua : Efa tonga ny fahafahana manana mpanoratra maro anaty lahatsoratra iray!
Arahaba ry GV! Araka ny nampanantenaiko tao anatin'ny lahatsoratro farany mikasika ireo fanavaozana ato amin'ny Lingua, androany isika dia hanomboka handefa singa miavaka iray vaovao ho an'ny GV manontolo: Ny safidy ahafahana mametraka olona mihoatra ny iray ho mpandray anjara anaty lahatsoratra iray!
Horonantsary toy ny ahoana momba ny faritra misy anao no ho atoronao anay?
Tianay hasongadina ireo sarimihetsika avy any amin'ny faritra misy anareo izay mendrika ny ho fantatra. Ho atao anaty lahatsoratra iray ifandrimbonana ireo valinteny rehetra ary ho avoaka amin'ny pejy fandraisana ato amin'ny Global Voices.
Fanatsofohana Bitsika Eo Amin'ny GV: Lahatsary Fampianarana Sy Taridàlana Manaraka Ny Zavamisy Mba Tsy Hampalahelo An'ireo Mpandika Lahatsoratra!
Nisy fisavoritahana kely ny fomba fanatsofohantsika bitsika, saingy mba hanazavana an'izay rehetra izay, namokatra lahatsary fampianarana aho ary navaoziko ireo taridàlana ofisialy momba ny famoahana ny Twitter ao amin'ny WordPress mba hanomezana antoka fa mazava tsara ny rehetra!
Ireo Taridàlana Ho an'ny Fanaovana Tatitra Voalohany Indrindra
Amin'ny ankapobeny ny Global Voices dia vohikala iray faharoa amin'ny fizaràna tatitra fanadihadiana - fidiantsika ireo loharano izay mandefa mivantana amin'ny aterineto ary tanisaintsika ireo fanadihadiana navoakan'ireo media hafa. Saingy matetika, isika no manao ny tatitra voalohany.
Fampiasàna ny Grammarly ho an'ny GV?
Tolokevitra amin'ny tokony hampiasàna ny Grammarly ho an'ny Vondrompiarahamonina GV.
Ny [inoako] fa isika, ary ny zavatra [eritreretiko] fa [tsara indrindra] ataontsika
''Tamin'ny fiafaran'ilay andro fandinihana, nila nanolotra ny maha-isika antsika, ny zavatra ataontsika, ny zavatra iriantsika ary ny fomba iadiantsika manoloana ireo vondrona mpikaroka avy amin'ny sekoly tranainy ao anatin'ireo rindrina mangatsikan'ny Akademia Frantsay ny tenako.''
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...