Manana 10 minitra? Mila ny feonao ny Podcast Global Voices!

Photo by Flickr user Jeffrey Zeldman. CC BY 2.0

Sary avy amin'ilay mpisera Flickr Jeffrey Zeldman. CC BY 2.0 Photo by Flickr user Jeffrey Zeldman. CC BY 2.0

Te-hampiditra ny feon'ny maro, mpikambana GV maro ao amin'ny Ny herinandro tao amin'ny fandraketam-peon'ny Global Voices izahay mba handrenesan'ny mpihaino ny fimaroan'ny vondrom-piarahamonintsika!

Mba hanaovana izany dia tianay ireo mpikambana GV mba handrakitra ny feonao mamaky iray na roa amin'ireo fanentanana mba ahafahantsika mampiditra azy ireo ao amin'ny podcast.

Mong Palatino sy Manuel Ribeiro no mpandray anjara voalohany ary afaka mandre azy ireo miteny tamin'ny fizarana farany isika: Pokémon Go Gets Political.. Hoy izy ireo hoe:

Kamusta? That’s ‘how are you?’ in Tagalog. I’m Mong, Southeast Asia editor for Global Voices. Want to read more about the stories we mention in this podcast? You’ll find them and more on our website: globalvoices DOT org; on Twitter AT globalvoices; and on Facebook DOT com SLASH globalvoicesonline

Kamusta? Izany dia hoe ‘manao ahoana ianao?’ amin'ny teny Tagalog. Izaho no Mong, tonian-dahatsoratra Atsimo-atsinanana ho an'ny Global Voices. Te-hamaky bebe kokoa momba ny tantara lazainay amin'ity podcast ity? Hahita azy ireo sy ny maro hafa ao amin'ny tranokalanay: globalvoices teboka org; ao amin'ny Globalvoices ao amin'ny Twitter; ary ao amin'ny Facebook teboka com BARA globalvoicesonline ianao

Ola amigos! That’s “hello, friends” in Portuguese. I’m Manuel, Global Voices’ Portuguese language editor. Are you liking this podcast? You can find us on SoundCloud, iTunes, Stitcher and many other podcast apps. Be sure to subscribe, give us an upvote, or leave us a comment. Obrigado! Thank you!

Ola amigos! Midika hoe “manahoana ry namana” amin'ny teny paortiogey. Manuel no anarako, tonian'ny fiteny Paortiogey amin'ny Global Voices. Tianao ve ity podcast ity? Azonao jerena ao amin'ny SoundCloud, iTunes, Stitcher ary fampiharana hafa amin'ny podcast izahay. Aza adinoina ny misoratra anarana, omeo vato tsara izahay, na manorata fanehoan-kevitra. Obrigado! Misaotra anao!

Te handray anjara? Raketo amin'ny famakiana ny fanentanana iray na roa etsy ambony ianao, ka anisan'izany:

  1. Fiarahabana amin'ny fiteninao sy ny dikany amin'ny teny Anglisy (na koa afaka mampiditra vazivazy amin'ny teny Anglisy avy amin'ny faritra misy anao ianao ary manazava ny dikan'izany);
  2. Ny anarana fiantsoana anao;
  3. Ny andraikitrao ao amin'ny Global Voices (ohatra, “mpandika teny Espaniola mankany amin'ny teny Anglisy ao amin'ny Global Voices”, “mpanoratra ao amin'ny ekipa Afrika Atsimon'i Sahara ao amin'ny Global Voices”, “mpanoratra ao amin'ny Global Voices avy any India” sy “mpandika teny Arabo Global Voices avy ao Alzeria”, azo ekena daholo).

Alefao any amin'ny tonian-dahatsoratra Lauren Finch ao amin'ny lauren.finch@globalvoices.org sy ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra Sahar Habib Ghazi ao amin'ny georgiap@globalvoices.org. avy eo ny fandraketana nataonao.

Audio recording tips

  • Record in a quiet room that doesn't echo. A closet or a bedroom with a low ceiling make good sound studios.
  • Avoid brushing up against your microphone.
  • Wear headphones.
  • Sit up straight and push your shoulders back to open up your voice.
  • Speak slowly, and make sure to pronounce your words clearly.

Toro-hevitra amin'ny fandraketam-peo

  • Raketo ao anaty efitra mangina tsy misy ako. Efitra kely na efitra fatoriana misy tafo ambany mety tsara amin'ny fandraketam-peo.
  • Aza kasihana be ny micro
  • Manaova fitaovana fihainoina amin'ny sofina”écouteurs”
  • Mipetraka mahitsy tsara ary ahemory kely ny soroka rehefa manokatra ny feonao
  • Miteny miadana, ary tonony tsara ny teny lazaina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.