Inona No Fikan'antitra Atoron'ny Renibenao Hitsaboana An'Ity?

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2015)

Photo by Flickr user julochka. CC BY-NC 2.0

Sary avy amin'i julochka, mpampiasa Flickr. CC BY-NC 2.0

Manerana an'ireo firenena sy ireo kolontsaina, mitàna toerana manokana ao ampontsika ireo ray amandrenibe. Fanovozana fahendrena sy fitiavana izy ireo izay matetika itodiantsika amin'ny fotoana ilàna azy.

Na izany aza, ireo anatra omen'izy ireo dia tsy voatery hitovy velively eran'izao tontolo izao. Manontania ray amandrenibe 10 samihafa eran'izao tontolo izao ianao mikasika ny fanafody fanasitranana hidihidy ao anaty tenda, valinteny 10 samihafa ihany koa no ho azonao, arakaraka ny fotoana sy ny toerana nisy ny fahazazan'izy ireo, ny traikefan'izy ireo manokana, ny finoan'izy ireo ary izay fahazarana raiki-tampisaka nananan-dry zareo.

Toa izany koa, vondrona samihafa manankarena amina hevitra sy traikefa maro ny vondrom-piarahamonina Global Voices. Noho izany, fanirianay ny hanontany ireo mpiara-miasa rehetra maha-te-hidera ato amin'ny GV:

Inona no fitsaboana atoron'ny renibenao?

Mety ho taratasim-panafody ho an'ny rehetra ireto manaraka ireto, miainga avy any amin'ireo aretin'ny vatana hatramin'ny tsy fananam-bintana, tsy voatery ho fomba fikarakaràna (recipe) mahomby ireo hevitra aroson-dry zareo (na dia raisina an-tanandroa aza ireo fomba fikarakaràna). Na inona na inona torohevitra aroson'ireo renibenareo (na ny raibenareo) mba hitsaboana trangan-javatra iray tsy niriana, tianay hatrany ny hihaino azy.

Havondronay anaty lahatsoratra iray ireo valinteny rehetra ary havoakanay eo amin'ny tranonkala fototry ny Global Voices. Ny 20 oktobra no daty farany.

To contribute, please share a few lines in a comment below this post, explaining:   ……………………..Mba handraisana anjara, azafady mizarà andalana vitsivitsy anatin'ny fanehoankevitra hita eto ambanin'ity lahatsoratra ity, manazava ny hoe:

  • Aiza ianao no mipetraka (tanàna, firenena)
  • Avy aiza/taiza ny renibenao
  • Ny fanafody avy amin'ny renibenao
  • Izay mety ho sitrany
  • Ny fampiharanao ilay fanafody (nandaitra ve izany?)
  • Ny rohy mankamin'ilay sarina fanafody nampiasàna ny lisansa Creative Commons na sehatra ho an'ny daholobe, raha azo atao

Ho hitantsika eo izay zavatra ho fantatry ny GV avy amun'ny fahalalan'ireo renibentsika!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.