(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Desambra 2015)
Midika ny fahatongavan'ny Taom-baovao fa ho tondraky ny lahatsoratry ny fampahalalam-baovao mahazatra ny tambajotra sosialy izay mampahafantatra ireo mpamaky ny zavatra “tsara indrindra” nitranga ny taon-dasa. Ity no fotoana tsara indrindra hampahatsiahivana amin'izao tontolo izao ireo tantaran'ny Global Voices be mpamaky tamin'ny taona 2015, ary iza no afaka hanao izany tsara kokoa mihoatra noho ny vondrom-piarahamonintsika mahatalanjona samihafa?
Miaraka amin'izany ao an-tsaina, manontany ny GVers rehetra ary izahay hoe:
Inona no tantara tianao indrindra tato amin'ny Global Voices tamin'ny taona 2015?
Mety ho tantara nahagaga anao izany na nanohina anao tamin'ny fomba hafa, niady tamin'ny hevi-draikitra izay notazoninao, niteraka adihevitra, na iray izay niasanao manokana ary nampihiratra ny fahazavanao.
Hangonintsika miaraka ny valinteny rehetra ao anaty lahatsoratra hivoaka ato amin'ny tranokalan'ny Global Voices.
[gravityform id=”6″ title=”true” description=”true”]