· Jona, 2018

Tantara mikasika ny Ekoatora tamin'ny Jona, 2018

Amerika Latina :Ny Olan'ny Fampiasàna Ankizy – Andiany I

  20 Jona 2018

Zava-misy marina mampalahelo ny fampiasana ankizy ao Amerika Latina ary, matetika, efa tena zatra mahita izany ny mponina ao amin'ny firenentsika hany ka tsy manao na inona na inona intsony. Iza no tsy efa nampiasa ireo mpamafa kiraro na ankizy hiambina ny fiarany ? Nisy ny fanentanana maro sy fepera hafa ho fanovàna ny toe-draharaha misy. Ho fankalazàna ny Andro manerantany 2009 Hiadiana amin'ny fampiasàna ankizy ny 12 Jona, nivondrona ny mpikambana ao amin'ny rantsana latino-Amerikana ao amin'ny Global Voices hanoratra lahatsoratra sy hizara rohy maro mikasika ny zava-misy ao amin'ny fireneny misy azy avy ao amin'ity andiany voalohany ity

Ekoadaoro: Manampy an'i Haiti ny fanjakana

Iray volana mahery izay no lasa, mbola mitohy mameno ny pejy voalohany amin'ny gazety iraisam-pirenena ny loza nateraky ny horohorontany tao Haiti. Nifantoka tamin'ny ezaky ny fanjakana Ekoadaoreana sy ny filoha Rafael Correa ary ny andraikitr'izy ireo tamin'ny fitondrana fanampiana sy fanohanana an'i Haiti kosa ny gazety eo an-toerana.

“Ny herisetra no tsirinkevitra hiadiankevitra”

Mino aho fa mahaliana ny mihevitra ireo voambolana mifandraika amin'ny "herisetra" mikasika ny ady amin'ny zom-pirenena Shuar, satria voambolana niezahan'ny tsirairay lazaina sy faritana izany. Ny herisetra no tsirinkevitra hiadiankevitra, ary mino aho fa mampiseho izany ity sary ity.