· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Ekoatora tamin'ny Jolay, 2018

Ekoatora: Manadihady Ny Tatitra Nataon'ny Kaomisiona Misahana Ny Fahamarinana Ireo Blaogera

  18 Jolay 2018

Tamin'ny May 2017, najoro tao Ekoatora araka ny didim-panjakana ny kaomisiona iray misahana ny Fahamarinana mba hanadihady sy hamory ireo vaovao mikasika an'ireo fanitsakitsahana zon'olombelona izay naha-tomponandraikitra ny polisy sy ny tafika tao anatin'ireo taona 25 lasa. Ny 7 May lasa teo, taorian'ny 3 taona nijoroany, nanolotra ny tatitra nataony tamin'ny Filoha Rafael Correa ilay Kaomisiôna misahana ny Fahamarinana. 831 no isan'ireo nofaritany tamin'ireo 456 niharan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, teo anelanelan'ny 1984 sy 2008. Manadihady an'io tatitra io aminà zoro samihafa ireo blaogera.