· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Ekoatora tamin'ny Marsa, 2013

Ekoatora: Herintaona Izay No Lasa Hatramin'ny Nitànana An-tranomaizina An'ireo '10 Avy Any Luluncoto’

  11 Marsa 2013

Herintaona izao no lasa hatramin'ny nitànana ireo "10 avy any Luluncoto", olom-pirenena voampanga ho nikasa hanao asa fampihorohoroana. Fihetsiketsehana maro no natao teo ivelan'ny fonjam-behivavy Inca, tany avaratr'i Quito, ary miandry ny famoahana haingana an'i Abigaíl Heras sy Cristina Campaña, roa amin'ireo voampanga izay efa nandany herintaona an-tranomaizina ny vahoaka.

Telo Andro Fisaonam-pirenena Ao Ekoatera Taorian'ny Fahafatesan'i Chávez

  07 Marsa 2013

Namoaka didim-panjakana telo andro fisaonam-pirenena ny Filohan'i Ekoatera, Rafael Correa (@MashiRafael) [es], taorian'ny fahafatesan’ [mg] ny filohan'i Venezoelà, Hugo Chávez. Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety notanterahina tao amin'ny lapan'i Carondelet, nilaza i Correa fa “tsy afaka ny hifampilaza fa maty ireo izay mitolona amin'ny fiainana”. Nilaza [es] ny Filoham-pirenena fa noho ny...

Ekoatora: Tezitra Noho Ny Fahatapahan'ny Famatsian-drano Ny Mponina Ao Loja

  06 Marsa 2013

Anaty fepetra amin'ny tany misahotaka ny faritanin'i Loja amin'izao fotoana izao: efa ho herinandro iray mahery, tanàna mpifanilo-bodirindrina efa ho 60 mahery no tsy manana rano madio fisotro, noho ny olana mianjady amin'ny fantsona goavana famatsiana rano. Naneho ny tsy hafaliany mikasika azy io sy ireo olana hafa any amin'ny faritra ny mponina ao amin'ilay faritany , tamin'ny fampiasana ny tenifototra #Loxaindignada sy #Lojaindignada [es, Loja tezitra].