Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ekoatora: Herintaona Izay No Lasa Hatramin'ny Nitànana An-tranomaizina An'ireo '10 Avy Any Luluncoto’

Herintaona ny 3 Martsa 2013 teo izay no lasa hatramin'ny nanatanterahana ny hetsika miaramila Sol Rojo (Masoandro Mena), izay nitànana teratany Ekoatoriana 10 voampanga ho mandrahona ny fiandrianam-pirenena.

Araka ny notaterinay teo aloha, very ny fahalalahan'ireo “10 avy ao amin'ny Luluncoto” rehefa teny an-dàlana hiady hevitra momba ny politikan'ny governemanta Ekoatoriana izy ireo tanatinà trano iray tany Atsimon'i Quito. Nahitan'ny polisy fandraisana naoty, diary, petadrindrin'i Che Guevara, ary ireo gazety teo am-pelatanany, izay noraisina ho fitaovana mpampihorohoro.

Tamin'ny voalohany, 9 tamin'ireo 10 no nahazo fitazonana an-tranomaizina alohan'ny fitsarana, ary i Fadua Tapia, izay nitondra vohoka tamin'ny fotoana nanaovana ny hetsika miaramila, dia naraha-maso ny trano nisy azy. Tamin'ny faran'ny 2012, nanambara ampahibemaso ny Minisiteran'ny Atitany [es] fa nanaporofo ny asa fampihorohoroana nataon'ireo voatana ireo ny porofo hita, tahaka ny fiomanana amin'ny ady mitam-piadiana, fikirakirana basy, fahaizana fototra mikasika ny vatan'olombelona, fahaizana fototra mikasika ny simia, fiomanana ara-batana amin'ny miaramila ary ny fiomanana amin'ny fanaovana bemidina aminà toerana samihafa.

Ny 19 Desambra 2012, natolotra ny 7 tamin'ireo 10 voatàna ny fangatahana Habeas Corpus [es] fampiatoana ny fanenjehana, ary ny 4 Janoary 2013 dia nandà ny Fangatahana Habeas Corpus [es] ho an'ny 2 amin'ireo voatàna ny Fitsarana Voalohany Miantoka ny Fampanjakana  ny Lalàm-panorenana.

Ny Janoary 21 farany teo, namoaka tatitra iray momba ny fanokafana indray ny fakàna am-bavany an'ireo voatàna ny La República (Ny Repoblika) [es] tao amin'ny Fantsona YouTube (LR larepublicaenlinea) [es]:

Namoaka sary i Paulina Recalde (@PaulinaRecalde) [es] tao amin'ny Twitter ahitàna ireo salan'isan'ny hevi-bahoaka avy any Quito sy Guayaquil momba ny raharahan'ireo 10 avy any Luluncoto:

@PaulinaRecalde: Entre quienes conocen caso #Los10deLuluncoto, 60% uio/gye cree que tendrán derecho a defensa y juicio justo; 34% que no pic.twitter.com/530B324p

@PaulinaRecalde: Anatin'ireo mahafantatra ny raharaha #Los10deLuluncoto (ireo 10 avy any Luluncoto), ny 60% (salan'isa avy any Quito sy Guayaquil) dia mihevitra fa hanan-jo haka mpisolovava sy hiatrika fitsarana tsy mitanila izy ireo; 34% kosa no tsy mitovy hevitra amin'izany pic.twitter.com/530B324p

Gráfica tomada del usuario de twitter @PaulinaRecalde

Sary nalaina avy tao amin'ny mpampiasa Twitter @PaulinaRecalde

Soratra eo amin'ny sary: Araka ny hevitrao, homena zo haka mpisolovava sy hanana fitsarana tsy mitanila ve ireo “10 avy any Luluncoto”, eny sa tsia? Manga matroka: Eny, Voloparasy: Tsia, Mavo: Tsy fantatro, Manga tanora: Tsy namaly

Ny 13 Febroary 13, nisy fakàna am-bavany iray hafa momba io raharaha io  notohizana [es], ary ny 26 tamin'io volana io ihany dia nitatitra ny El Telégrafo (Ny Telegrafy) [es] fa nandidy herintaona an-tranomaizina ho an'ireo 10 avy any Luluncoto, izay voampanga ho nikasa hampihorohoro, ireo mpitsara avy ao amin'ny Fitsarana Fahatelo ny Heloka Bevavan'ny Cour Nationale de Justice (CNJ) [es]. Navoakan'ireo media hafa mpampahalala vaovao ho ampahibemaso ihany koa io vaovao io, tahaka ny La Hora [es], ny El Mercurio [es], ny Teleamazonas [es] ary ny La República [es[.

El Universo (Izao Tontolo Izao) [es] dia nitatitra fa voampanga ireo 10 avy any Luluncoto ireo noho ny artikla 160.1 [es] izay milaza fa: “Ireo izay, na olon-tsotra na fikambanana, tahaka ireo mpiady anaty akàta, andian-jiolahy na vondrona mpampihorohoro, manao heloka bevava manohintohina ny fandriampahaleman'ny vahoaka dia hahazo sazy hihidy an-tranomaizina mandritra ny efatra ka hatramin'ny valo taona”, haavonà fandikan-dalàna samy hafa amin'ilay niarovan'ny mpisolovava azy ireo iray volana mahery izay.

Ny mpisolovava sady mpanadihady momba ny Zon'Olombelona, Adriana Rodríguez Caguana [es], dia namoaka taratasy misokatra manohitra ny sazy nomena ireo tanora 10 avy any Luluncoto [es] ao amin'ny Facebook, miaraka amin'ny fahafahana hanatevin-daharana azy io amin'ny alàlan'ny fanoratana ny fanampin'anaranao, ny anaranao ary ny asanao. Taorian'ny namoahan'ny media ny sazy izay natolotra ireo voampanga, fihetseham-po samihafa no hita teo ambanin'ny tenifototra #10deLuluncoto [es]:

Nampiseho ampahibemaso ny fanekeny io sazy io i Angelo Salazar (@an6elo) [es] :

@an6elo#10deluluncoto no tolerancia pa terroristas q explotan bombas en mi país e invitan al levantamientos EN ARMAS!! presos, presos!!1año es poco

@an6elo#10deluluncoto tsy misy fandeferana ho an'ireo mpampihorohoro izay midaroka baomba ny fireneko sy miantso ireo fikomiana MITAM-PIADIANA!! Gadrao ry zareo!!kely izany 1 taona izany

Eliana Urquizo Lopez (@eliana810) [es], kosa etsy andaniny, nampiseho ny tsy fanekeny:

@eliana810: Los #10deLuluncoto acusados de ser terroristas y los de #AlfaroVive [grupo armado ecuatoriano, que se autodenominaba de izquierda revolucionaria y marxista-leninista] trabajan en el gobierno. Que alguien me explique la lógica de esto.

@eliana810: Voampanga ho mpampihorohoro ireo #10deLuluncoto ary ireo avy ao amin'ny #AlfaroVive [vondrona Ekoatoriana mitam-piadiana [es], izay niantso ny tenany ho mpomba ny havia mpitondra fiovàna sy marxist-leninista] miasa ao amin'ny governemanta. Miangavy olona iray aho hanazava izany lojikan-javatra izany amiko.

Nanoratra ny heviny momba io raharaha io i Pablo Piedra (@Pabloarturo81) [es] :

@Pabloarturo81: La sentencia a los #10deluluncoto busca proteger a los responsables del gobierno ante una futura demanda en el #SIDH [Sistema Interamericano de Derechos Humanos] contra #Ecuador

@Pabloarturo81: Natao hiarovana ireo ao anatin'ny governemanta, izay ho tompon'andraikitra amin'ny fanenjehan'ny #SIDH [Rafitra Anatin'ny Amerikana Momba Ny Zon'olombelona] an'i #Ecuador any aoriana, ilay sazy nomena ireo #10deluluncoto

Manohana ireo 10 avy any Luluncoto i Paola Criollo (@paocriolloa) [es]:

@paocriolloa: Mi apoyo y solidaridad a los#10deLuluncoto xq somos ciudadanos comunes viviendo justicia sin derecho,justicia d peones.#ridiculogobiernoRC

@paocriolloa: Fanohanako feno sy firaisankinako amin'ireo #10deLuluncoto satria isika tanora miaina anatinà fitsaràna tsy mifototra amin'ny lalàna, ny fitsaràn'ireo mpanompo osa.#ridiculogobiernoRC

Namoaka sary vitsivitsy momba ny fihetsiketsehina izay natao ho fanohanana ny raharahan'ireo 10 avy any Luluncoto, ny gazety La Hora (The Hour) (@lahoraecuador) [es]:

@lahoraecuador: Familiares y amigos de Abigaíl Heras y Cristina Campaña, #10deLuluncoto, realizan plantón en la cárcel de mujeres.pic.twitter.com/BTQi954l2M

@lahoraecuador: Nanao fihetsiketsehina tany amin'ny fonjan'ny vehivavy ny fianakaviana sy naman'i Abigaíl Heras sy Cristina Campaña, #10deLuluncotopic.twitter.com/BTQi954l2M

Sary nalain'ny mpampiasa Twitter @lahoraecuador

Natao teo ivelan'ny fonjam-behivavy Inca, tany avaratr'i Quito ilay fihetsiketsehana [es] ny 3 Martsa. Nanara-maso akaiky an'io raharaha io ny vahoaka, indrindra tao amin'ireo tambajotra sosialy, ary miandry ny famoahana haingana an'i Abigaíl Heras sy Cristina Campaña, roa amin'ireo voampanga izay efa nandany herintaona an-tranomaizina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.