Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Timor Atsinanana

“Ny Kolontsaiko No Mari-panondroana Ahy”, Hoy Ilay Timorey Rui de Carvalho Mpanao Fitafiana Lamaody

Ny kolontsaiko no mari-panondroana ahy. Toy izany ny fanombohan'ny hatsarana Timorey eo amin'ny tontolon'ny lamaody ao Timor-Leste!

Ny Fijerin'ireo Firenena Miteny Paortiogey Ny Fahalanian'i Trump Ho Filoha

Fitetezana ireo fanehoankevitra tany amin'ireo firenena miteny portiogey manerana ny tany, niainga avy any Paortiogaly sy Brezila, ka hatrany Timor-Atsinana, mandalo an'i Afrika.

Avy ao Shina, Indonezia, Timor Leste, Fantaro Ny Hip Hop Aziatika

Fotoana izao hanavaozana ireo lisitry ny hira fihainonao.

Fantaro i Eufrasia Vieira, ‘Angelina Jolie Hafa Indray’ Ao Timor-Leste

" Indraindray, mandray izany fandokafana izany toy ny vazivazy aho. Tsara tarehy loatra i Angelina ary tena mahavariana fotsiny. Izaho kosa vehivavy olon-tsotra fotsiny fiainana tsotra.."

Miantso Ny Praiminisitr'i Timor-Leste Ny Mpamoaka Vaovao Hanaisotra Ny Fitoriana Fanalam-Baraka

Miezaka ny mpamoaka vaovao manerana izao tontolo izao hanao izay hanesoran'ny praiminisitr'i Timor-Leste (Timor Atsinanana) ny fitoriana heloka bevava mpanangom-baovao roa avy ao amin'ny Timor-Post izay nilaza azy ho tafiditra amin'ny kolikolin'ny governemanta.

Macao no Hampifandray an'i Shina amin'ny Firenena Mpiteny Paortiogey

Macao no ho tetezam-pifandraisana eo amin'i Shina sy ireo firenena mpiteny portiogey. Tian'ilay Shinoa mpitantana ny faritra ihany koa ny hanamafisana ao Macao sy ao Shina ny fianarana teny portiogey.

Tsy Nahazo Medaily Ny Atleta Timorey Nandray Anjara Lalao Olaimpika Fa Mbola Nanentanentana Ny Fireneny Izy Ireo

"Holazainay ireo tanora mba hifantoka amin'ny fanatanjahantena ary hanampy ny firenena. Mitovy amin'ny lalana nasehoan'ireo maherifontsika tamin'ny tolon'izy ireo ho amin'ny fahaleovantena izany."

Mitantara ny Tantaran'ny Fianakaviana Zeca Afonso Tao Timor Atsinanana Nandritra Ny Ady Lehibe Faharoa i “Rosas de Ermera”

Nogadrain'ny tafika Japoney tao Timor ny fianakavian'ilay mpihira Zeca Afonso nandritra ny ady lehibe faharoa. Vao nivoaka ho boky ity tantara notazonin'ny fianakaviana ho tsiambaratelo ity ary hivadika ho lahatsary fahadihadiana tsy ho ela.

Nanaitra Ireo Mpampiasa Aterineto ny Fandraisan'i Timor Atsinanana Anjara Anatin'ny Lalao Olaimpika any Rio

Ity no fahatelo amin'ny fandraisan'i Timor Atsinana anjara anatin'ny Lalao Olaimpika, tao aorian'i Athènes (2004) sy i Laondra (2012).

Anche Cabral, Ilay Vehivavy Timorey Voalohany Mandray Anjara Amin'ny Lalao Cross-Country Olaimpika Ao Rio de Janeiro

Anche Cabral no ho vehivavy timorey voalohany hanao hazakazaka am-bisikileta hisolo tena an'i Timor Atsinanana amin'ny dingana cross-country Lalao Olaimpika ao Rio de Janeiro.