Fantaro I Sara Moreira

(Fanamarihana: tamin'ny 26 Jolay 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niresaka sy nandrakipeo ny antsafa niarahako tamin'ilay mpanoratra ato amin'ny Global Voices Sara Moreira ao amin'ny Sekoly Iraisam-pirenena ho an'ny Fanavaozana Nomerika ao Porto, Portiogaly aho. Nanatrika ity fandaharam-potoana ity i Sara rehefa nandany herinandro maromaro tao Dili, Timor Atsinanana, firenena iray izay itaterany manontolo ny tontolon'ny bilaogy ho an'ny Global Voices.

Mampianatra informatika sy ny taranja injeniera ho an'ny zatovovavy i Sara ao amin'ny Onivesiten'ny Timor Atsinanana.

Mpampianatra tao amin'ny Oniversiten'i Timor Atsinanana izy ary notoloran'ny Hewlett Packard fitaovana sy solosaina mba hanampiana ny vehivavy Timorey hahalala bebe kokoa ny sehatry ny teknôlôjian'ny solosaina sy ny manodidina ny tranonkala.

Aza adinoina ny mamaky ireo lahatsoratra miisa telo nosoratan'i Sara nandritra ny fankalazana ny fotoana fahasivy nahatongavan'ny Aterineto tao Timor Atsinanana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.