Tantara mikasika ny Lahatsary

David Hoffman ao amin’ny Internews

Rising Voices  04 Jona 2019

David Hoffman no mpanorina sady filohan'ny Internews, iray amin'ireo fikambanan’ny fampivelarana ny fampitam-baovao voalohany. Nohazavain'i David ny fomba nanombohan'ny Internews tamin'ny alàlan’ny fandrindrana ny fomba roa amin'ny fifandraisana an-janabolana teo amin’ireo tanora Sovietika tany Moskoa sy ny Amerikanina nandritra ny Fetiben'i Etazonia 1982 izay notohanan'ny mpiara-manorina ny Apple Computer Steve Wozniak.

Ramsey Tesdell ao amin’ny 7iber.com

Rising Voices  03 Jona 2019

Ramsey Tesdell no mpanorina ny 7iber.com, vondrom-piarahamonin'ny asa fanaovan-gazetin’olon-tsotra sy ny tetikasa fampiofanana any Amman, Jordania. Nihaona taminy tany amin’ny fandaharan’asa Manamafy Orina ny Fampitam-baovao Tsy Miankina tany Aotrisy izahay, izay mikendry ny hamoaka an-tsarintany ny vanim-potoana vaovao amin’ny fivoaran’ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena.

Ny atao hoe trano LAN

Rising Voices  30 Mey 2019

Felipe Vaz no mpandrindra ny Instituto Overmundo, izay mampiroborobo ny fidirana amin’ny fahalalahana sy ny fahasamihafana ara-kolontsaina any Brezila amin'ny alàlan'ny fomba amam-panao nohavaozina amin'ny serasera, ny fizakamanana ara-tsaina ary ny teknolojia. Soritsoritan'i Felipe ny "revolisionan'ny trano LAN" (Local Area Networks - tambajotram-paritra ao an-toerana) any Brezila.

Koety: Navotsotra ilay bilaogera nogadraina

Taorian'ny tabataba teo an-toerana sy avy any amin'ny faritra, navotsotra tany Koety androany vao maraina ilay bilaogera Koesiana Bashar Al-Sayegh. Raha nankalaza ny famotsorana azy ny bilaogera sasany, ny hafa kosa nampitandrina fa mety ho marika faneriterena bebe kokoa izay mety hampihenana ny fahalalaham-pitenenana ao Koety izany.

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video