· Janoary, 2008

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Janoary, 2008

Afrika Atsimo : Vehivavy mpamboly “bio”

  18 Janoary 2008

Manapariaka lahatsary i Nubian Cheetah izay ahitana ireo vehivavy mpamboly “bio” any Afrika Atsimo: The women in the the Fezeka community in Gugulethu, South Africa are growing organic foods and selling them at market prices.” “Ireo vehivavy anivon'ny fiaraha-monina Fezeka any Gugulethu, any Afrika Atsimo dia mamboly “bio” [manaja ny...

FreeAccess plus ! web 2.0 : ahafahana miala sivana

  17 Janoary 2008

Niainga tamin’ny asan’i Hamed Saber momba ny “Access Flickr” fiitaranasan’ny Firefox, nahafahana niala tamin’ny fanatantavanana ampiharina any Iran sy firenena hafa tena vitsy izay manampina ny Flickr, vohikala malaza amin’ny fifampizarana sary, no namoahan’i MohammadR ny “FreeAccess Plus!“, Fiitaranasa (extension) nosainina lalina mamadika ny Firefox ho proxy (solon’adiresy fanangonana fa...

Hong Kong : fanavotana ny Lung Mei

  11 Janoary 2008

Natsangana ny bolongana vaovao iray hanavotana faritra mando iray ao Hong Kong (zh). Maminavina hanao fandaniambola hatramin’ny HKD130 000 000 ny governemanta hananganana tora-pasika voatr’olombelona ao Lung Mei, faritra mando voajanahary ao Taipo. Mihetsiketsika amin’ny fanangonan-tsonia sy famokarana lahatsary hanoherana izao fandravana ny tontolo iainana izao ny olonineto (netizens).

Bangladesh : Ezaka fanampiana noho ny rivodoza Sidr

  10 Janoary 2008

Nandrava an’i Bengladesh ny rivodoza Sidr ny tapaky ny volana Novembra teo, ary na dia nihena be aza ny firesahan’ny fampahalalam-baovao dia mbola mitohy hatrany ny ezaka fanampiana ny traboina. Nandefa lahatsary maromaro tamin’izay niainany avy any Dhaka, Bangladesh ho fandraisany anjara hampitsaharana ny fahantrana. Bangladesh moa no firenena fahafito...

Marôka : Mitohy ny tolon'ireo Toaregy

  09 Janoary 2008

Ny blaogy Ghasbouba, monina any Marôka, dia manoratra sy manapariaka lahatsary [Frantsay] mikasika ny tolon'ny Toaregy [Touareg] hoan'ny fahafahana any Nizera sy Malia [Niger | Mali] : « Another way of getting rid of the Touregs of Niger and Mali is to exploit their lands through massive extractions of Uranium...

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video