Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Aogositra, 2015
Culebra, Nosin'i Pôrtô Rikô: 135 Taona Nitolomana Sy Nandresena
Mankalaza ny 40 taona taorian'ny nandroahan'ny vahoakan'i Culebra ny Navy Amerikana sy ny 135 taona nananganana ilay nosy kaominina ny horonantsary fanadihadiana fohy nataon'ny gazety mpiseho isam-bolana, Diálogo.
Omen'ny Hetsika “Maimbo ianareo” 72 Ora Hamaliana Ny Fangatahany Ny Governemanta
Nanome fe-potoana 72 ora ho an'ny governemanta ireo Libaney mpanao hetsi-panoherana mba hamaliana ny fitakian-dry zareo na hiatrika hetsi-panoherana goavana kokoa amin'ny Talata
LAHATSARY: Herisetran'ny Polisy Libaney Tamin'ireo Mpanao Fihetsiketsehana “Maimbo Ianareo (You Stink)”
Niely manerana ny media sosialy ireo lahatsary mampiseho ny herisetran'ny polisy tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Libanona. Tokony hahazo daroka sy baomba mandatsa-dranomaso ve ny fihetsiketsehana manohitra ny fivangonan'ny fako sy ny kolikolin'ny governemanta?
GV Face: Ny Zavatra Ilainao Fantarina Momba Ny Hetsi-panoherana Goavana “Maimbo Ianareo” Ao Libanona
Ao anatin'ity fizaràn'ny GV Face ity i Faten Bushehri dia niresaka tamin'i Joey Ayoub, mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ao Beirut izay niara-niasa akaiky tamin'ny kaomity mpikarakara ny 'Maimbo ianareo' na طلعت ريحتكم.
Mpiasan'ny Fahasalamàna Mandihy Ho Fankalazàna Ny Famoahana Ilay Marary Farany Tratry Ny Ebola Tao Sierra Leone
Nahafaty olona 3.952 tao amin'ity firenena ao Andrefan'i Afrika ity ny valanaretina Ebola raha ny filazàn'ny Fikambanana Iraisampirenena momba ny Fahasalamàna.
Nampitandrina ny fikasan'ny antoko politika hanararaotra ny hetsika ataon-dry zareo ny Libaney mpikatroka
Nivadika ho fitakiana fialan'ny mpitondra fanjakana ao amin'ny parlemanta sy ny governemanta ny fitakiana voalohany hamahana ny olan'ny fako rehefa diso tafahoatra ny herisetra nianjady tamin'ny mpikatroka tamin'ny andro voalohany nihetsiketsehana.
Manamatroka Ny Rano Mangatsakatsak'i Karaiba Ny Ahidrano Sargasse
Miangona be eo amin'ny moron-dranomasin'i Karaiba ireo ahidrano volontany matroka izay antsoina hoe Sargasse-n-dranomasina. Mpitsoraka an-drano iray no mitondra antsika ho any ambanin'ilay ahidrano matevina.
Antoko Mpihira Puerto Rikana Mitondra Fifaliana Kely eny an'Habakabaka
Latsa-dranomaso mihitsy ny mpandeha amin'ny zotra an'habakabaka nankao Puerto Rico rehefa nanomboka nihira teo am-pidinana an-tanety ny antoko mpihira iray izay niara-nandeha dia lavitra tamin-dry zareo.
Lahatsary: Lasa nihoatra ny isan'ny mponina ao Puerto Rico ny isan'ny igoanà maitso
Nampidirina tamin'ny alalan'ny varotra biby atao an-trano ny igoanà maitso ka lasa feno azy i Puerto Rico iray manontolo avy eo. Ankehitriny heverina ho manelingelina izy ireo, niteraka fanemorana zotra an'habakabaka maro, fahasimban'ny fotodrafitrasa ary fahaverezan'ny vokatra.
“Omeo anay ny sainanay!”: Fahatezeran'i Madagasikara tamin'ny lalaon'ny ranomasimbe indiana 2015
Feno zava-nitranga niteraka fifanenjanana ara-diplaomatika teo amin'i Madagasikara sy i Frantsa ny Lalaon'ny Nosin'ny Ranomasimbe Indiana 2015 tontosaina ao La Réunion.