· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Jolay, 2010

Hong Kong: Mifanentana hiaro ny moron-dranomasin'i Tai Long Wan ny mponina

  24 Jolay 2010

Olona maro no mihevitra fa ala-tsimenitra no mandrafitra an'i Hong Kong noho ireo tranobe mijoalajoala ao aminy. Saigy ny zava-misy dia faritra tsy misy fivoarana ny 75 % n'ny velarantany amin'io tanàna io amin'ny ankapobeny. Endrika navelan'ny tantaran'ny fanjanahan-tany tsy niniana natao io, rehefa niezaka hampaharitra ny famatsiana rano tao an-tanàna...

Iran: Nakatona ho an'ny raharaha ireo tsena satria mbola mitohy ireo fitokonan'ny mpivarotra

Niditra tamin'ny herinandro faharoa amin'ny fitokonana anoherana ny fiakaran'ny hetra ireo mpivarotra ao amin'ny tsenaben'i Teheran . Olon-tsotra maro mpampita vaovao no mitatitra izany tranga izany raha toa kosa ka mangina sy miezaka ny tsy miraharaha ny iray amin'ireo fitokonana lehibe indrindra tao anatin'ny 30 taona farany izao, ny haino aman-jery ofisialy .

Afrika Atsimo : 67 minitram-piovana – Andro ho an'i Mandela

  18 Jolay 2010

Nelson Mandela Loharano:www.ambassadors.net Maro amin'ny olona no mahalala fa 27 ny isan'ny taona lanin'i Nelson Mandela tany am-ponjan'ny Nosy Robben any Afrika Atsimo. Ny tsy fantatry ny ankamaroan'ny olona momba an'i Madiba (fiantso ahafantaran'ny olona azy am-pitiavana any Afrika Atsimo) kosa dia ny 67 taona laniny nanoherany ny fanavakavaham-bolonkoditra sy ny...

Eoropa: Fifaninanana Horonantsary momba ny fahaizana tenim-pirenena maro

  15 Jolay 2010

Raha monina any Eoropa ianao, eo anelanelan'ny 18 hatramin'ny 35 taona ary mahay miteny tenim-pirenena maherin'ny iray, mandraisa anjara amin'ny fifaninanana horonantsary amin'ny aterineto momba ny fahaizana tenim-pirenena maro, ary mahazoa toerana iray amin'ny hetsika famokarana sarimihetsika, izay handeha ary hokarakaraina any amin'ireo nosikelin'i Turku any Finland.

Japana: Nodimandry i Kazuo Ohno, fanta-daza amin'ny Butoh

  02 Jolay 2010

Kazuo Ohno, manan-talenta fanta-daza ary iray amin'ireo ray mpamorona ny Butoh, dia nodimandry tamin'ny 1 Jona teo amin'ny faha-103 taonany. Ny Butoh dia dihy fiomanana niforona tany Japana taorian'ny Ady Lehibe Faharoa, miavaka amin'ny fandokoana ny vatana ho fotsy sy ireo fihetsika maneho hevitra sy fijaliana.

Maneran-tany: Tsy matoan-dahatsoratry ny fampahalalam-baovao ny fiparitahan'ny solitany

  01 Jolay 2010

Misarika ny fifantohan-tsain'izao tontolo izao ilay fiparitahan'ny solitany tany amin'ny Elodranon'i Meksika, vokatr'izay fanapotehana noho ny tsy fahaiza-mitantana ny fitrandrahana solitany. Na izany aza, any amin'ireo toerana sasany maneran-tany, miaina miaraka amin'ny fandrarahana poizina toy itony ny olona, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no hiezahan'ny vahoaka hisintonana ny sain'izao tontolo izao amin'ny fijalian'izy ireo.

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video