· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Aogositra, 2017

Etazonia: Inona Marina No Lazain'ilay Saribakoly Miteny?

  23 Aogositra 2017

Raha mihevitra ianao fa tsy midika na inona na inona ny fibadabadan'ny zazakely dia mieritrereta tsara aloha vao miteny izany! Manontany momba ilay "saribakoly miteny" avy amin'ny Fisher Price, mpanamboatra Bébé Câlin, izay toa nomelohina fa niteny hoe: "Fahazavana ny finoana Islamo" ny tontolon'ny bilaogy.

Maraoka: Tondradrano Mahatsiravina Tany Tanger

  23 Aogositra 2017

Nandritra ny taona vitsy lasa izay, niaina haintany i Maraoka. Indrisy anefa fa nifarana tamin'ny oram-batravatra izay niteraka tondradrano mahatsiravina tany avaratr'i Maraoka izany haintany izany. Olona miisa 13 no maty farafahakeliny .

Manao Diabe Manohitra Ny Herisetra I Meksika

  22 Aogositra 2017

Leo ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana tsy mitsaha-mitombo izay atrehin'ny firenen'izy ireo tamin'ny taon-dasa teo ireo Meksikana ary nanapa-kevitra ny hanao diabe mangina miaraka amin'ny hiram-pirenena sy ny labozia mirehitra manerana ny firenena sy any amin'ny toerana hafa...

Maraoka: Ary Ny mpandresy Dia…..

  22 Aogositra 2017

Natao tao Casablanca tamin'ny 31 Janoary ny andiany faharoa tamin'ny Maroc Blog Awards (Fifaninanana Bilaogy). Natao ho an'ireo bilaogy Maraokana tsara indrindra (sy ho an'ireo bilaogera manoratra manokana momba an'i Maraoka ihany koa) izay nosokajiana ao anatin'ny loka miisa telo ambin'ny folo. Indro ny lisitry ny mpandresy:

Venezoela: Antonio Lauro Sy Ny Feon-gitarany Klasika

  22 Aogositra 2017

Matetika ireo feonkira ireo no lalaovin'ny mpitendry gitara malaza ao amin'ny firenena sy iraisampirenena. Ary amin'ny maha ao anatin'ny tarika Trio Cantores del Trópico azy dia niezaka ihany koa i Lauro nandray anjara tamin'ny famadihana ireo vakoka mozika eoropeana ho melodia tena mitovy amin'ireo mozika mampiavaka ny Venezoeliana.

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video