· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Marsa, 2013

Lahatsary: Mampiroborobo Ny Fitomboan'Ireo Horonantsary Fanadihadiana Ny Krizy Ao Gresy

  29 Marsa 2013

Ny Fetibe Thessaloniki faha-15 ho an'ny Fanadihadiana - tanterahina ny 15 ka hatramin'ny 24 Martsa 2013 - dia ahitàna horonantsary dimy miresaka momba ny krizy Grika [el], tahaka ny tamin'ny herintaona lasa [el]. Raha mbola manohy miasa eo ambanin'ny trosa miavosa sy ny olan'ny fitsitsiana mafy amin'ny famoaham-bola ny Fetibe sy i Gresy iray manontolo, dia samy mihamifantoka amin'ny asan'izy ireo amin'ny fanehoana ny fiantraikan'izany eo amin'ny fiaraha-monina avokoa ny mpamokatra horonantsary foronina sy fanadihadiana.

Madagasikara : Lahatsary mitatitra ny fanolanana ireo zaza tsy ampy taona

  29 Marsa 2013

Ny vohikalam-baovao Journeyman.tv no nanapariaka tamin'ny faha-25 Martsa ny vokatry ny fanadihadiana [Sakalava/Frantsay, dikantsoratra Anglisy] izay nampiasana fakan-tsary miafina mba hampibaribariana ny fihamaroan'ny fanolanana atao ireo zaza tsy ampy taona aty Madagasikara: Misy reny iray nijoro vavolombelona ao anaty lahatsary : Zanako amin'zay moa mianatra izy, ataony amin'zay za tsisy...

Mozika Niharan'ny Sivana Sy Feo Voaràra Ao Angola

  17 Marsa 2013

[Amin'ny teny Portiogey avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy filazana manokana.] Noraofin'ny polisim-pirenena Angoley tamin'ny alalan'ny fanatanterahana ny fanapenam-bava izay manozongozona ny fitondrana ao Angola ny andiana haino aman-jery novokarin'ny mpikatroka Angoley. Anisan'izany ny DVD vaovao an'ilay mpiangaly rap Brigadeiro 10 Pacotes, mitantara ny “fiainana sy asan'ilay mpitarika revolisionera manan-tantara Jonas Savimbi”...

Manova Fihetsika Amin'ny Fanambadian'ny Ankizy Ao India

  11 Marsa 2013

Ao Azia Atsimo sy any ambanivohitra Afrika Atsimon'i Sahara no ahitana ny ankamaroan'ireo fanambadian'ny ankizy manerantany. Ao ambanivohitra India, 47 isan-jaton'ny tovovavy (tatitry ny UNFPA) no manambady alohan'ny faha-18 taonany. Ny Firenena Indiana Bihar no manana taha ambony indrindra momba ny fanambadian'ny ankizy izay tafakatra 69 isan-jato. Urmila Chanam nizara tantaran'ankizy manambady ao India:  ...

Lahatsary Fidarohana Amin-kerisetra Vehivavy, Mahatohina An'i Angola

  09 Marsa 2013

Taitra noho ny feon'ny hiakam-pahoriana sy ny feon'ny vehivavy roa nokaravasiana tao amina tranombarotra iray i Angola tamin'ny 7 Febroary 2013. Tao anatin'ny telo andro monja, nahazo mpijery youtube maherin'ny 25.000 ny rakitsary maharitra 13 minitra izay maneho vehivavy roa novonoina tamin-kerisetra, nalefa tamin'ny fahitalavi-panjakana ary nahatohina ny fiarahamonina Angoley.

Printsy Saodiana: “Tsy Milefitra Amin'ireo Vehivavy Midina An-dalambe Ny Lehilahy Manantsaina”

Nilaza ny printsy Saodiana androany fa tsy milefitra amin'ireo vehivavy midina an-dalambe [hanao fihetsiketsehana] ny lehilahy misaina. Taorian'izany fanambarana navoakan'ny governora lefitry ny faritany Al Qassim, Faisal bin Mishal izany, niharan'ny famoretana ny sit-in nokarakarain'ireo vehivavy mitaky ny fanesorana ny Minisitry ny Atitany tamin'ny Alatsinainy teo, tao an-tanànan'i Buraida, ao Arabia Saodita. An-jatony ireo...

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video