Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Novambra, 2010
Madagasikara: Voasingotra amin'ny fanondranana andramena tsy ara-dalàna ny Filoha
Wild Madagascar no nampakatra lahatsary navoakan'ny Global Witness (Vavolombelona Ankapobeny) sy ny Environmental Investigation Agency (Sampana mpanadihady momba ny Tontolo iainana) ahitana fa voasaringotra amin'ny fanondranana tsy ara-dalàna andramena (bolabola) ny filohan'ny [Fahefana Avon'ny Tetezamitan’] i Madagasikara Andry Rajoelina.
Makedonia: Nampifantoka ny maso teto amin'ny aterineto ny TEDxSkopje
Ny mpandray anjara niresaka momba ny lanonana TEDx tao Makedonia dia nihevitra azy avokoa ho fahombiazana tanteraka. Nahafahana niresaka tamin-kahalalahana sy nampisy aingam-panahy farafaharatsiny tamin'ny olona zato nandray anjara ho amin'ny fiovana tsara (miabo) ity valandresaka mahaleo tena kononina araka ny fanaon'ny fikambanana amerikana tsy miankina sy tsy mitady tombontsoa...
Zeorzia: Fandinihana momba ny Fampianarana sy Fianarana
Mampianatra sy Mianatra miaraka amin'i Georgie Georgia (TLG) dia tetik'asa iray novolavolain'ny Minisiteran'ny Fampianarana sy ny Siansa any Zeorzia (MES) hikendrena manokana ireo olona tompon'ny teny miisa 1000 mahay miteny anglisy ka te hampianatra any amin'ny sekoly any an-toerana mandritra ny taom-pianarana 2010-2011. Ny andiany voalohany amin'ireo mpampianatra ireo no...