· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Janoary, 2019

Azerbaijan: Bilaogera roa voasazy

GV Mpisolovava  30 Janoary 2019

Araka ny efa natahoran'ny ankamaroan'ny mpanohana azy ireo, dia efa nanameloka an'i Adnan Hajizade sy Emin Milli sahady ny fitsarana iray any Baku, Azerbaijanary ny andro nanaovana ny adihevitra momba ny raharaha hanenjehana ireo tanora mpikatroka roa amin'ny fibilaogina lahatsary, .

Tonizia : Fisamborana ilay mpikatroka fanta-daza iray tamin’ny famoahana tatitra an-dahatsary an-tserasera momba ny tontolo iainana

GV Mpisolovava  22 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosamborina noho ny famoahana tatitra an-dahatsary tao amin’ny aterineto momba ny fahalotoan’ny tontolo iainana ao Nabeul (Dar Chaabane EI Fehri), izay tanandehibe amorontsiraka Avaratra-Atsinananan’i Tonizia i Zouhaïr Makhlouf, mpikatroka mpiaro ny zon’olombelona sady mpitati-baovao ho an’ny tranonkala Assabil Online...

Marobe ny fiarahabana ny mpanjakavavy Rania noho izy nahazo ny Loka “Visionary” Youtube

Miondrika manaja ny Mpanjakavavin'i Jordania, Rania, sy ny hetsika fanentanany ao amin'ny YouTube,  ireo bilaogera avy any Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra, taorian'ny nahazoany ny loka tamin'ny Loka Visionary YouTube noho ny fananganana fantsom-pifandraisana an-tserasera hiadiana amin'ny fitsarana an-tendrony sy ny hevi-diso mikasika ny Arabo sy silamo.

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video