· Septambra, 2012

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Septambra, 2012

Lahatsary: Fanadihadiana Fohy Mampisongadina Mpanankato Venezoeliana

  28 Septambra 2012

Tamin'ny alalan'ny kaonty YouTube azy ireo no amoahan'ny ekipa ekipam-pamoronana Mostro Contenidos, andian-dahatsary fanadihadiana antsoina hoe ‘Memorabilia‘ [es, en] , izay ampisehoan'izy ireo andian-tafatafa fohy niarahana tamin'ireo olo-malaza Venezoelana izay miavaka ao an-toerana na manerantany- amin'ny sarimihetsika, fialam-boly, ary ny zava-kanto. Tao anatin'ny lahatsary fampahafantarana no namariparitan'ny ekipa ny fomba nahafahany nanangona ireo...

Japana: Ampamoaka Momba Ny Tontolon’ny Asa Fanadiovana ny toby Nokleary Ao Fukushima

  28 Septambra 2012

 Nandrakitra ilay lahatsary [amin’ny teny japoney] an’i Tetsuya Hayashi, izay tsy nanampo hanao asam-panadiovana ao amin’ny toby nokleary ao Fukushima Daiichi, ny tranokalam-baovao japoney an’olotsotra 8bit news, tamin’ny 18 septambra 2012. Nangataka asa nantsoina hoe ‘Backup Logistics Support’ izy (izay azo adika hoe « mpiasan'ny fampitaovana fototra »), fa tafiditra voalohan-daharana, ary voatery niharitra ny voka-dratsin'ny...

Sodàna: Noràrana ny YouTube Taorian'Ny Fandoroana Ny Ambasady Alemana

Nanafika ny Ambasady Alemana sy Amerikana tao Khartoum ireo mpanao fihetsiketsehana voton-katezerana Sodàney tamin’ny Zoma 14 Septambra 2012 lasa teo, hetsi-panoherana ilay horonantsary novokarina tao Etazonia, izay manevateva ny Mpaminany Mohammad. Mitondra ny lohateny hoe “The Innoncence of Muslims” na “Tsy Fahalalàn'ny Miozolomana” ilay horonantsary Youtube maharitra 14 minitra, nitarika ny...

Ekoatera: Hazolava Doro Ala

  19 Septambra 2012

Nanomboka tamin'ny voalohan'ny volana jiona 2012, miisa 2568 ny doro ala niseho manerana ny firenena ao Ekoatera Vao nalefan'ny mponina sy ny mpitantana ny fanairana, nibahana tao amin'ny twitter ny tenifototra  #incendiosforestales, mba ahafahan'ny olona manome vaovao sy manome ny heviny momba ny fanairana fa latsaka an-katerena ny firenena ankehitriny. Mitondra...

Fanentanana Vaovao Sy Teny Filamatra : Ny Valiny Dia Kolombia

  15 Septambra 2012

Tamin'ny fiandohan’ny volana Septambra, namoaka lahatsary fanentanana vaovao ny Marca Colombia [es], sampan-draharaha ofisialin’ny governemanta miandraikitra ny marika Kolombia, ahitana teny filamatra hoe “Ny valiny dia Kolombia” [es] izany. Niteraka fanehoan-kevitra marobe tao amin’ny Twitter ny lahatsary, nampiasana tenifototra hoe #LaRespuestaesColombia [es] (Ny Valiny Dia Kolombia), lohahevitra nironana nandritra andron’ny Asabotsy 8 Septambra io tenifototra io. Namintina ny...

India: Endri-panoherana Amin'ny Filonana Rano Hatreny An-tenda

  12 Septambra 2012

Mponina iraika ambidimampolo avy ao amin'ny vohitr'i Ghongalgaon avy amin'ny distrikan'i Khandwa ao amin'ny fanjakàna Indiana ao Madhya Pradesh no nanomboka hetsi-panoherana iray 'Jal Satyagraha' amin'ny filonana hatreny an-tenda tao anatin'ny ranon'ny tohodrano Omkareshwar ao amin'ny renirano Narmada. Ilay hetsika dia ho fanoherana ny fanapahan-kevitry ny governemanta hampakatra ny haavon'ny rano ao amin'ilay tohodrano.

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video