Koety: Navotsotra ilay bilaogera nogadraina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2007)

Taorian'ny tabataba teo an-toerana sy avy any amin'ny faritra, navotsotra tany Koety androany vao maraina ilay bilaogera Koesiana Bashar Al-Sayegh. Raha nankalaza ny famotsorana azy ny bilaogera sasany, ny hafa kosa nampitandrina fa mety ho marika faneriterena bebe kokoa izay mety hampihenana ny fahalalaham-pitenenana ao Koety izany. Bilaogera iray hafa naneho ny tsy fankasitrahany ny polisy izay mandika lalàna ary namoaka lahatsary ahitana polisy miherisetra ara-batana amin'ireo mpiasa Aziatika ao amin'ny firenena manankarena solika.

Nosamborina i Al-Sayegh taorian'ny fanehoan-kevitra nataona mpaneho hevitra tsy fantatra anarana, izay naniratsira ny filoham-pirenena Koesiana, Shaikh Sabah Al Ahmed Al Jaber Al Sabah tao amin'ny forum antserasera (Ar) tantaniny.

Nosamborina niaraka tamin'i Al-Sayegh i Jassim Al-Qames, izay mpiara-miasa amin'i Al Sayegh sady mpaka sary ao amin'ny gazety Al Jarida, noho ny fakàna sary ny fisamborana azy. Navotsotra izy avy eo saingy nilaza fa niharan'ny herisetra nataon'ireo mpitandro filaminana nanao ny fisamborana.

Niparitaka tao amin'ny bilaogy avy hatrany ny vaovao momba ny famotsorana an'i Al-Sayegh sy ny fisamborana ilay olona izay nanao ny fanehoan-kevitra tany am-boalohany raha vao navotsotra ilay bilaogera.

Kuwaiti blogger Bashar Al-Sayegh being carried by supporters after his release

Nahitana ny sary etsy ambony ny tranonkala antserasera Koesiana Al Aan, izay mampiseho ireo mpanohana milanja an'i Al-Sayegh eo an-tsorony.

Manoratra ao amin'ny forum-ny, Al-Sayegh nampanantena hanohy ny bilaoginy (Ar):

لا أعلم من أين ابدأ ..
شكرا؟؟ دين في رقبتي؟لا أعلم .. موقفكم ..
لا توجد كلمة .. او مجموعة حروف ..
تعبر عن مشاعري تجاهكم ..لن أنسى موقفكم .. فهذا دين في رقبتي ..
ولن استطيع رد الدين سوى بالاستمرار ..
استمرار موقع الأمة ومنتدى الأمة ..
والاستمرار في نهجنا الذي بدأناه معا ..شكرا لجميع المدونات والمواقع الالكترونية ..
والصحف اليومية التي تبنت القضية ..
شكرا لجمعيات النفع العام ..

Tsy fantatro hoe aiza no hanombohana ..
Misaotra anareo?? Manan-trosa efaina ho anao mandrakizay aho?

Tsy fantatro, fa ny fihetsikareo.
Tsy misy teny .. na vondrona taratasy ..
Izay afaka maneho ny fahatsapako ho anareo rehetra ..

Tsy hohadinoiko mandrakizay ny fihetsikao tamiko .. Manan-trosa aminao mandrakizay aho.
Ary tsy ho vitako mihitsy ny hamerina izany trosa izany afa-tsy amin'ny fanohizana ..
Fanohizana ny tranonkala Al Ommah sy ny tsenan-kevitra ..
Ary manohy ny dingana efa noraisintsika.

Misaotra ireo bilaogy sy tranonkala an-tserasera rehetra.
Ary ireo gazety mpivoaka isan'andro izay nanohana ahy.
Misaotra ireo fiarahamonim-pirenena sivily rehetra.

Tsy taitra tamin'ny fisamborana ilay bilaogera Koesiana Jandeef ary milaza fa tsy mba manaja ny lalàna sy ny lalàmpanorenana mihitsy ny polisy Koesiana raha resaka fikarakarana olona. Nandefa ireto lahatsary roa manaraka ireto izy izay mampiseho mazava tsara polisy manao fanamiana miherisetra amin'ireo mpiasa Aziatika ao Koety.

https://youtube.com/watch?v=tZOReyn4i-I

https://youtube.com/watch?v=3JyxuHMafXw

Blurted by The Aggressor nilaza fa ny fisamborana an'i Al Sayegh dia midika fandefasan-kafatra ho an'ny vondrom-piarahamonin'ny bilaogy ao Koety.

(T)his may just as equally be a message from the Kuwaiti Interior Ministry to the Kuwaiti blogging community, informing us that the Ministry is keeping us in check, and is monitoring our comments and activities, both online and-quite possible-offline as well. If that's the case, then shouldn't they be able to differentiate between an administrator and an anonymous commenter? Seriously….c'mon, seriously!?

Mety mitovy amin'ny hafatra avy amin'ny Minisiteran'ny Atitany Koesiana ho an'ny vondrom-piarahamonin'ny bilaogy Koesiana izy ity, mampahafantatra antsika fa manara-maso antsika ny minisitera, ary manaramaso ny fanehoan-kevitra sy ny hetsika ataontsika, na amin'ny aterineto na-mety ho ivelan'ny ihany koa. Raha izany no izy,  tsy tokony hahay hanavaka ny mpitantana sy ny mpaneho hevitra tsy fantatra anarana ve izy ireo? Tena matotra …. aoka moa e, siora !?

Kiwi Nomad ihany koa nizara fihetseham-po toy izany ary nanamarika hoe:

Hopefully the message is getting through that the State (In)Security Police need to toe the line and uphold the laws of the State… For Bashar and Jassem's sakes I hope the publicity of their experiences produces reform. It is worth noting that this is only one of many unpublicised cases. Bravo guys for standing up and not being intimated.

Antenaina fa ho tafita ny hafatra mba hiova ny Polisy misahana ny fiarovam-panjakana ary hanaja ny lalàn'ny fanjakana … Ho an'i Bashar sy Jassem kosa, manantena aho fa hitondra fanavaozana ny fampielezana ny zava-niainan'izy ireo. Tsara ny manamarika fa iray amin'ireo tranga maro tsy navoaka ity. Arahabaina ry namana noho ny fijoroana sy tsy natahotra

The Ultimate, na izany aza, nandray lalana hafa ary manolotra tononkalo ho an'i Al Sayegh.

The Grim Reaper is waiting
Scythe in hand
While the country is celebrating
Bashar is free

Who’s next
To pay the debts!
When will it be my turn!
When will it be yours!

It’s all just a matter of time
And time has mercy on no one

Will this nightmare ever
Be over
I wonder

Miandry ny Mpijinja (aina)
Antsimbilona eo an-tanana
Raha mankalaza ny firenena
Afaka i Bashar

Iza no manaraka
Mandoa ny trosa!
Rahoviana no ho anjarako izany?
Rahoviana no anjaranao anao izany?

Fotoana fotsiny izany
Ary tsy mamindra fo na amin'iza na iza ny fotoana

Moa ity nofy ratsy ity?
Ho tapitra
Manontany tena aho

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.