Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Oktobra, 2015
Voakiana noho ny tatitra “mitongilana” amin'ny lanonam-pivavahana shiita ny fampitam-baovao lehibe
Shiita an-tapitrisany no manamarika ny tsingerintaonan'ny mahamaritiora ny Imam Hussain bin Ali, izay maty novonoina tokony ho 1.300 taona lasa izay, isan-taona. Mandaka ny fomba fandraisana diso ataon'ny fampitam-baovao lehibe ny mpiserasera.
Mitafiotra Media Sosialy Ny Hetsika #FreeAlaa (Avotsory i Alaa) Raha Feno Herintaona ny Nanagadrana Azy
Herintaona tany am-ponja i Alaa Abd El Fattah noho ny fikatrohana ataony. Mbola mamita sazy efa-taona. Miaka-peo ny mpiserasera tamin'ny fankalazana ny herintaonan'ny nanagadrana azy mba hitaky ny famotsorana azy.
Rendrika anaty loto, ‘Reniranom-pako’ manemitra ny araben'ny renivohitr'i Libanona
Avy ny orana tao Libanona ary nivangongo manerana ny arabe nandritra ny volana maromaro ny fako ao Beirota, nivadika ho "reniranon'ny fako" ny araben'ny renivohitra.
Namono Olona Dimy Tao Amin'ny Moske Shiita Ao Arabia Saodita Ny Lehilahy Mitam-piadian'ny ISIS
Nanafika moske tao Saihat, ao amin'ny faritany atsinanan'i Arabia Saodita tamin'ny alin'ny Zoma 16 Oktobra ny lehilahy mitam-piadiana ISIS, nahafaty olona dimy sy nandratra olona sivy izy alohan'ny nahafatesany voatifitry ny polisy.
Polisy Ogandey Nanaboridana Vehivavy Avy Amin'ny Antoko Mpanohitra Teo Imasom-bahoaka
"Tsy mendrika hajaina ihany koa ny fitondrana tsy manaja vehivavy."
“Ho an'ireo Tsy Mahavita Intsony Mandeha Mifidy Amim-pahavitrihana”
"Tsy misy tokony ho andrasana intsony amin'ireo izay mitondra antsika." Misy hetsika ataon'olon-tsotra mandray an-tànana ny raharaha.
Miaramila Isiraelianina nitsofoka an-tsokosoko tao amin'ny fihetsiketsehana palesitinianina ary manambana basy azy ireo avy eo
Nipongatra an-tserasera ny sarin'ireo Isiraelinianina miaramila manao fitafiana Palesitinianina. Voalohany, dia ahitana miaramila isiraelianina maromaro manao ho toy ny Palesitinianina mitora-bato miaraka amin'ny Palesitinianina. Avy eo ry zareo nanambana basy ny Palesitinianina
Manao Fihetsiketsehana Ho Fanoherana ny Fandrarana Zavamaneno Ao Amin'ny Garan'ny Metro Ao Hong Kong Ireo Mpiangaly Mozika
"Tokony hiaro ny zon'ny ankizy hianatra mozika ny vahoakan'i Hong Kong. Azo natao taloha ny mitondra zavamaneno eny amin'ny gara. Nahoana no raràna izany ankehitriny?"
Misitery Ny Fahafatesan'ny Minisitra Ogandey, Mikorontana ny Aterineto
Nahatonga onjanà fiaraha-miory lehibe ary onjanà filazàna karazana tsikombakomba tamin'ny media sosialy ny fahafatesana tampoky ny Jeneraly Aronda, Minisitry ny Raharaha Anatiny ao Ogandà sady Lehibe taloha tao amin'ny Hery Fiarovana.
Manameloka Ny Tandrefana Ho Mahabetsaka Ireo Mpitsoa-ponenana Ny Filohan'i Afrika Atsimo, Noho Izany ‘Tokony Hiatrika An'io Izy Ireo’
Nilaza i Jacob Zuma fa meloka tamin'ny fitosahan'ireo mpitsoa-ponenana maro ny Tandrefana, tamin'ny fanaovana hetsika miaramila tany Libya, fanambaràna izay mampizarazara ireo mpisera amin'ny Aterineto.