Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Desambra, 2010
Côte d'Ivoire: Manahy ny vanim-potoana vaovao hisian'ny fandrahonana any Abidjan ny mpampiasa Aterineto Ivoriana
Mihamahery setra tsikelikely ny krizy ara-politika any Côte d'Ivoire. Raha ny hevitry ny Firenena Mikambana, dia olona 50 no maty ary 200 no naratra nandritra izay telo andro farany izay. Nesorina tamin'ireo fampisehoana tantara misy herisetra nandritra ireo ady sasany ny haino aman-jery nentim-paharazana fa ny mampiasa aterineto koa dia niezaka ny naneho ny horonan-tsary sasany ahitana ireo herisetra manodidina ny firenena.
Syria: Avelao hirotsaka ny ranomandry!
Toetrandro tsy nahazatra loatra narahan-tafiotra no nanamarika ny herinandro lasa teo tany amin'ny faritra maro tany Levant, raha nirotsaka ny orana efa nandrasana ela sy ny ranomandry tsy nampoizina nandrakotra izay rehetra taka-maso. Tao an-drenivohitra Siriana, sambany rakotra ranomandry indray ny arabe rehetra raha tsy nisy izany an-taona maro. Tao Damas, na dia misy ranomandry tsindraindray ihany aza, tsy dia mijanona ela eo ambonin'ny tany ireny.
India: Andro iray ahafahan'ireo vehivavy milalao sy mandihy
India Unheard dia mampiseho antsika fankalazàna roa samihafa avy amin'ny faritra samihafa manerana ny firenena izay ahafahan'ireo vehivavy manambady avy amina vondrom-piarahamonina ara-poko, mandritra ny iray andro monja, mifaly havanja sy mandihy imasom-bahoaka tsy misy sakantsakana.
Afrika: Loko ara-kolotsaina miaraka amina horonampeo sy horonantsary nafangaro
Manana soso-kevitra tena hafakely ny Radio Continental Drift: nanatontosa laharana horonan-tsary mifangaro izy ireo izay tena mifantoka kokoa amin'ny resaka manodidina ny hetsika, ny kolotsaina ary ny zava-kanto any Afrika miaraka amin'ny horonam-peo avy amin'ny atrik'asan'ny fampielezam-peo sy ny fakana horonan-tsary eo amin'ny tanàna maromaro any Kenya sy Oganda.