Tantara mikasika ny Lahatsary
Horonantsary: Ny hatsaran'ny Fetiben'ny Obatala, fomban-drazana Orisha ao Trinite sy Tobago
Isan-taona, mandray anjara amin'ny Fetibe Obatala ireo Orishas, izay manome voninahitra ilay endrika ao amin'ny angano Yoruba izay nomena andraikitra tamin'ny famoronana ny tany.
Horohorontany tany Iran re hatrany Dubai
(Lahatsoratra tamin'ny volana Septambra 2008) Re hatrany Dubai sy tany amin'ny firenena hafa ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra ny horohorontany tany Iran, nahatonga ireo mpiasa birao sy mponina an'arivony tao anatin'ny tranobe misy rihana maro hivoaka ho eny an-dalambe, hoy ny bilaogera. Namely teo akaikin'i Bandar Abbas ilay horohorontany manana...
Jordania : Manomboka manao YouTube ny mpanjakavavy
Nanatevin-daharana ny YouTubers ny mpanjakavavy Rania avy any Jordania ka tena nahafaly ireo bilaogera Jordaniana sy tany Afovoany Atsinanana. Nivoaka tao amin'ny YouTube ilay horonantsary, natokana ho an'ny lohahevitra momba ny fitsarana an-tendrony, nahitana 'ity hafatra manaraka ity:
Arabia Saodita: Tsy nahazo solika maimaimpoana i Puff Daddy
(Lahatsoratra tamin'ny volana Septambra 2008) Nanao antso tamin'ireo “rahalahiny sy anabaviny any Arabia Saodita” sy ireo firenena mpamokatra solika hafa mba hanome azy solika hahafahany manohy mandeha amin'ny fiaramanidina manokana ilay mpihira rap Amerikana Sean Puff Diddy Combs. Nitaraina ity mpanakanto mpanefoefo an-tapitrisany ity fa manakana azy tsy hampiasa ny...
LAHATSARY: Belarosia 2020: Mbola eo am-pisintomana ?
Amin'ity andiany voalohany amin'ny andian-dahatsoratry ny Global Voices Insights ity, namerina niresaka momba ireo zava-niseho nipoaka tany Belarosia taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana Aogositra 2020 ilay mpandalina ny fampitam-baovao Maryia Sadouvskaya-Komlach, ilay mpanakanto Rufina Bezlova ary ilay manam-pahaizana Gregory Asmolov.
Fahalalahana an-gazety ao Jammu sy Kashmir: resadresaka nifanaovana tamin'ilay mpanao gazety Anuradha Bhasin
Niantsafa tamin'i Anuradha Bhasin, tonian-dahatsoratra mpanatanteraka ao amin'ny gazety Daily Kashmir Times ilay mpampita vaovaon'ny VideoVolunteers Basharat Amin, mba hamantarana ny zava-misy ankehitriny momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Jammu sy Kashmir.
WATCH: resadresaka nifanaovana tamin'i Jillian C. York momba ny bokiny izay hivoaka “Silicon Values”
Tsy naharaka ny fandefasana mivantana ny resadresaka tao amin'ny Global Voices Insights nifanaovana tamin'ny mpanoratra sady mpikatroka Jillian C. York? Indro ny famerenana azy.
[FAMERENANA] ‘The Milk Tea Alliance': Thailandy, Taiwan ary Hong Kong miray hina hitolona ho amin'ny demaokrasia
Tsy nahatratra ny fandefasana mivantana ny webinar [seminera-web] Global Voices Insights momba ny "Milk Tea Alliance"? Indro ary ny famerenana azy ho hitanareo.
Mpianatra ho mpitsabo Kashmirita mandoko amin'ny ravina handresena ny rarintsaina ateraky ny COVID-19
Mampiasa izay fahaizany tsotra amin'ny fandokoana i Tabish Aijaz Khan, tanora iray mpianatra fitsaboana avy ao amin'ny distrikan'i Anantnag ao Kashmir, handreseny ny rarintsaina ateraky ny fanadinana sy ny valan'aretina COVID-19.
Sarimiaina hanoherana ireo hevi-diso momba ny valanaretina Ebôlà
Sarimiaina iray ho alefa ho entina miady amin'ireo hevi-diso momba ny fomba fifindràn'ny valanaretina