Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Novambra, 2012
Manintona Ny Saina Ho Any Amin'ireo Olona Manana Fahasembanana Any Jamaika Ny Fampirantiana Zava-kanto Vaovao
Nanan-danja ny fiandohan'ilay fampirantiana voalohany indrindra notanterahin'ilay mpanakanto Jamaikana Astro Saulter, tsy noho ny fanolorany mpanakanto iray vaovao eo amin'ny sehatry ny zava-kanto ao an-toerana ihany, fa koa noho ny fitarihany ny fahalinana amin'ny filàna fidirana amin'ny fanabeazana haikanto tsara kokoa, indrindra ho an'ireo olona manana kilema.
Homs: Tantaran'ny Tanàna Syriana Revolisionera Rava
Anisan'ny tanàna Syriana maro hita amin'ny lohatenim-baovao ankehitriny i Homs, izay tanàna niorina tamin'ny 2300 talohan'i Kristy. Azo tarafina amin'ny alalan'ny fahapotehan'ny fanorenana sy maritrano manan-tantara, ireo mpialokaloka an'hetsiny ary ireo maritiora an'arivony ny fahasimbana goavana nateraky ny fandaroahan baomba nandritra ny volana maro. Homs ao amin'ny tantara Ilay tanàna 4300taona...
“La Calle Loíza”, Làlana Manan-tantara Nanita-dàlana Tao Amin'ny Aterineto
Manana fiatoana vaovao ny fitsangatsanganana any amin'ny làlana mikintaontaona indrindra any amin'ny renivohitr'i Porto Rico,San Juan, ka amin'ny aterineto izany. Calle Loíza, any afovoan-tanàna manan-tantara any Santurce, dia fifangaroana trano miloko Karibeana maro maha-te honina sy ny manara-damaody.
Maoritania: Hetsika 25 Febroary Mitsipaka ny [Fibaikoana] Fanaraha-mason'i Frantsa
Mandalo vanim-potoana ara-politika tsy ahatsinjovana ny ho avy i Maoritania hatramin'ny nandefasana ny filoha Mohamed Ould Abdel Aziz hotsaboina any Paris rehefa naratran'ny tifi-bala izy tamin'ny 13 oktobra 2012. Mifandamina ny ao Maoritania mandra-piveriny saingy maro ny Maoritaniana no manontany tena amin'ny anjara andraikitr'i Frantsa amin'ny toe-draharaha ankehitriny. Fihetsika nisabakabaka nataon'i Frantsa tamin'ny 2008...
Fanadihadiana Feno Endrika Politika Mitarika Ny Mpianatra Avy Any Tibet Hanao Hetsi-panoherana Ao Shina
Ny 26 Novambra 2012 dia nanodidina ny arivo ireo Tibetàna mpianatra any Shina no nanao hetsi-panoherana tao amin'ny Kaominin'i Chabcha, Prefektiora Mizakatenan'i Qinghai Tibetàna hanoherany ny fanadihadiana iray feno endrika politika tao aminà toeram-ponenan'ny mpianatra ao amin'ny Sekoly Fiofanana ho mpitsabo
Hetsi-panoherana Erantany Ho An'ny Guarani-Kaiowá, Vazimba Teratany Ao Brezila
Nihorohoro izy ireo tamin'ny fandrahonana azy ireo hoesorina amin'ny taniny, ny fahapoizinan'ny ranony amin'ny ataon'ireo mpiompy, ary vonona hanohitra hatramin'ny fara-fofon'ainy. Manoloana ireo zavatra mandreraka ireo, dia ny media sosialy sy avy eny an-dalambe no hitan'ny vondrompiarahamonin'ny Guarani-Kaiowá ao Pyelito Kue / Mbarakay, ao amin'ny kaominin'i Iguatemi, Mato Grosso do Sul (MS) hahazoana fanohanana avy amin'ireo mpikatroka mafàna fo erantany.
Mikomy Ireo Gadra Rosiana, Manofahofa Faneva Hoe “Ampio Izahay Azafady,”
Nandritra ny herinandro tao amin'ny fonjan'i Kopeysk, eo ivelan'ny tanànan'i Chelyabinsk, gadra eo amin'ny 250 eo no nanomboka nanao fihetsiketsehana teny an-tampon'ny tranobe, nilanja sora-baventy [ru] miangavy hoe “ampio izahay azafady” ary nitaraina momba ny fampijaliana sy ny fanendahana atao azy ireo. Penal Colony 6 (fonjan'ny tanora) (fantatra tsotra amin'ny hoe “shestyorka”) no...
Manohitra Ny Kolikoly Ny Tanora Ao Amerika Latina
Mizara lahatsary iray i Andrea Arzaba izay hanadihadiany ireo tetikasa tarihan’ireo tanoran’i Amerika Latina ho amin’ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra. Nandray anjara tamin’ilay Sehatra Fiadian-kevitry ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly Andiany Fahatelo,nokarakarain’ny Tambajotran’ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly (GYAC) any Brasilia, Brezila ny 5 sy 6 Novambra teo.
Espaina: Tsy Ampy Taona Nodarohan'ny Polisin'ny Katalonia, Antso Hialàn'ny Minisitra
Ny fampiasana hery nataon'ny vondron-kery polisin'i Katalonia antsoina hoe Els Mossos d’Esquadra [ca], nandritra ny fitokonambe [ca] tamin'ny 14 Novambra 2012 (#14N [ca]) no niteraka onjam-panamelohana an-tserasera. Niteraka fametrahana fanangona-tsonia [ca] ho fialan'ny minisitry ny atitanin'i Katalonia, Felip Puig, avy amin'ny antoko politika rezionaly efatra ity toe-draharaha nitranga tao antenantenan'ny fampielezan-kevitra manantantara ity.
Nanavaka ireo Bilaogera sy Mpisera Twitter Mavitrika ao Makedonia ny Fifaninanana Blogirame
Namoaka ny vokatry [mk] ny fifaninanana fanaon-dry zareo isan-taona sy ny lahatsarin'ny [mk] lanonam-panolorana ny loka notontosaina tamin'ny 23 Novambra 2012 ny saha-panangonana bilaogy Makedoniana Blogirame ["mibilaogy isika"]. Mitatitra i Filip Stojanovski.