· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Oktobra, 2017

Iran: Firenen'Ny Bilaogera

Noforonin'ireo mpianatra tao amin'ny Sekolin'ny Fianarana Horonan-tsarimihetsika Vancouver (VFS) ny lahatsary fohy eto ambany, "Iran: Firenen'ny bilaogera". Namorona ity lahatsary ity ho ampahan'ny asan'izy ireo hanaovana ny programa Famoronana Nomerika VFS i Aaron Chiesa, Toru Kageyama, Hendy Sukarya sy Lisa Temes.

Però: Inona No Mamono Ireo ‘Feso’ Ao Amorontsiraka Avaratra?

  21 Oktobra 2017

Nitarika korontana ny vaovao milaza fa feso 3000 no hita maty tamin'ny taona 2012 teny amin'ireo morontsiraka avaratri Però. Mampiasa ny tambajotra sosialy ireo Peroviana sy mpikatroka, tsy hoe fotsiny ho fampahafantarana ny fisian'ilay fandringanana sy hanairana ny saina, fa koa mba hanadihadiana izay antony.

Iran: Ny Fahafatesan'ny Ayatollah Hossein Ali Montazeri

Nitatitra ireo olom-pirenena Iraniana sy ny fampahalalam-baovao mahazatra iraisampirenena fa mpanohitra an'aliny no nidina an-dalambe tao amin'ny foibe teolojikan'i Iran tamin'ny Alatsinainy ary nifandona tamin'ny milisy mpomba ny governemanta nandritra ny fandevenana ilay mpitondra fivavahana ambony ao amin'ny fanoherana ao amin'ny firenena, ny Ayatollah Hossein Ali Montazeri.

Iran: Manao Fihetsiketsehana Manerantany Ny Iraniana

Raha maro ireo vavolombelona tao Teheran nilaza fa nipoaka ny fifandonana lehibe teo amin'ny mpitandro ny filaminana Iraniana sy ny mpanao fihetsiketsehana mankalaza ny tsingerintaona voalohan'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 12 jona, nisy ihany koa ny hetsi-panoherana nitranga tany amin'ireo tanàna maro samihafa manerantany, tahaka ny tao Ankara, Torkia, Vancouver, Canada.

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video