· Novambra, 2009

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Novambra, 2009

Puerto Rico: Kiaka manohitra herisetra

  29 Novambra 2009

25 Novambra, ao anatin'ny fankalazana ny Andro maneran-tany natao hamongorana ny herisetra atao amin'ny vehivavy, izay manamarika ihany koa ny andro voalohany maeran-tany amin'ny hetsika 16 andro hanoherana ny herisetra [16 Days of Activism Against Gender Violence], dia vehivavy mpitoraka blaogy avy ao Puerto Rico no nanoratra lahatsoratra momba ny herisetra miantraika amin'ny fiainan'izy ireo, amin'ny fianakaviany ary amin'ny fiarahamonin-dry zareo. Nanoratra tonokalo ry zareo, fanadihadiana lalina, sy fampieritreretana ihany koa. 'Ndao mba hojerentsika ny endrik'izy ireo, hovakiantsika ny lahatsorany, ary hohenointsika ny feony.

Filipina: Dokambarotra kandidà ho filoham-pirenena amin'ny fahitalavitra

  24 Novambra 2009

Hisy fifidianana filoham-pirenena any Filipina amin'ny taona ho avy. Efa nanomboka ny fotoan'ny fifidianana amin'ny famenoana ireo antontan- taratasy filatsahana any amin'ireo biraom-panjakana manerana ny firenena. Ho fanairana sy fampahafantarana ny mpifidy mikasika ny firotsahana ho fidiana manao fandaharana sy mandoa ny vola mifandraika amin'izany ireo mpifaninana ho filoham-pirenena. Sarimihetsika...

Iran: Nihaika ny fitondrana indray ny Hetsika Maitso

  05 Novambra 2009

Nanomana fidinana an-dalambe ho fanoherana ny fiaraha-mientan'ny mpanohitra Hetsika Maitso ny faha-4 ny volana Novambra (faha-13 Aban), fa nanararaotra ny fihaonana nokarakarain'ny mpitondra fanjakana tamin'io andro io hanamarihana ny faha-30 taona nananihana ny Ambasadin'i Etazonia ao Teheran. Nahery vaika ny nandravan'ny mpitandro ny filaminana ity fihetsiketsehan'ny mpanohitra ity. Araka ny...

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video