Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Desambra, 2013
Fidinana An-dàlambe Miisa 7 No Hita Tany Azia Atsimo Atsinanana Ny Taona 2013
Governemanta maro tany amin'ny faritr'i Azia Atsimo Atsinanana no niatrika fihetsiketsehana goavana maro tamin'ny alalanà fidinana an-dàlambe ny taona 2013. Mbola mitaky ny fialàn'ny lehiben'ny governemanta hatramin'izao ny mpanao fihetsiketsehana ao Tailandy.
SARIPIKA: Rotaka Voalohany tao Singapore Tao Anatin'ny 40 Taona
Manasongadina ny fifandirana eo amin'ny mponina ao an-toerana sy ireo mpiasa vahiny tsy mitsaha-mitombo ny rotaka voalohany tao Singapour tao anatin'izay 40 taona izay.
Krismasy Sambatra Avy Amin'ireo Siriana Artista
Azo jerena anatina taokanto iray monja fa tsara lavitra noho ny teny an-tapitrisa ny fahaverezam-panantenan'ny firenena iray. Et ny fomba nankalazan'ireo Siriana artista ny Krismasy
Hatsiaka, Orana ary Tondra-drano ao Gaza Amin'ity Ririnina ity
Manodidina ny 10 000 eo ho eo ireo vahoaka Palestiniana any amin'ny faritra avaratr'i Gaza no nafindra monina hiala ireo fonenany taorian'ny efatra andro niavian'ny oram-batravatra.
Antso an-dahatsary: Ny tsy fantatrareo mikasika ireo toerana izay niavianay
Ho an'ny hetsika famaranana ny taona 2013 dia nangataka ireo mpikambana ao amin'ny fianakaviamben'ny Global Voices izahay mba hanome anareo ireo antsipirihany marina mikasika ny firenen'izy ireo.
Lahatsary: Iza No Mifehy Ny Aterineto?
Inona no atao hoe fitantanana ny Aterneto? Video vaovao iray an'ny Fundacion Karisma no nanomana fampianarana fohy misy ny iray amin'ireo fikorontanana izay miantraika amin'ireo mahery fo mpiaro ireo zo niomerika ankehitriny.
Fandefasana Lahatsary An-Taratasy Avy Amin'ireo Vondrom-piarahamonina Zanatany Ao Oaxaca
Fomba iray ho an'ireo ankizy ao amin'ireo vondrom-piarahamonin-janatany mitoka-monina ao Oaxaca mba hampisehoany ny sasantsasany amin'ireo zavatra tiany indrindra any amin'ny tanànany ary hampifandray azy ireo amin'ny hafa erak'izao tontolo izao ny Lahatsary an-Taratasy, amin'ny alalan'ny herin'ny lahatsary.
Ny Sanda Ara-Olon'ny Fandrosoana Any India
Loza mananontanona ny trano fonenana sy ny foto-piveloman'ireo mponina ao Jagatsinghapur, India ilay vinavina fananganana orinasa fanamboarana vy acier. Niady araka izay tratry ny heriny tamin'ny governemanta sy ny orinasa nitondra io tetikasa io ireo mpanohitra izany.
Lahatsary: “Aoka Izay: Tantaran'ny Revolisiona” Any Syria
" Aoka izay: Tantaran'ny Revolisiona" dia horonantsary fanadihadiana maharitra 15 minitra mikasika ny ady ao Syria, izay nanomboka tamin'ny gidragidra ary niafara tamin'ny fanantenana "
“Rehefa Mifoka Rivotra Ny Ranomasina”: Taratasy Iray Avy Amin'i Oscar López Rivera, Gadra Politika Puerto Ricain
Mifonja efa ho 32 ao Etazonia i Oscar López Rivera. Ao anatin'ity taratasy ho an'ny zafikeliny vavy ity dia mahatsiaro ny ranomasina izy