· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Lahatsary tamin'ny Jona, 2017

Maraoka: Miaka-tsehatra Ny Gnaoua!

Isan-taona amin'ny volana Jiona, mpizaha tany an'arivony avy amin'izao tontolo izao sy Maraokana manerana ny firenena no mirohotra ao Essaouira, tanàna kely amoron-tsiraka tokony ho 200 kilaometatra avy ao Marrakesh feno olona, mba hamonjy ny Fetiben'ny Gnaoua sy ny mozika manerantany.

Ny Zavamaneno Avy Amin'ny Lafivalon'Izao Tontolo Izao

  30 Jona 2017

Lahatsary ahitana zavamaneno mahaliana avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, anisan'izany ny zavamaneno vita amin'ny boaty namboarina sy tavoahangy soda plastika , ny fanehoana ny fomba hanamboarana ny didgeridoos , ary ny hira nentim-paharazana Rosiana lalaovina amin'ny vielle à roue.

Afrika Atsimo : Fotoana Handihizana Diski Izao

  29 Jona 2017

Maro ireo tenifototra, famantarana sy singa-marika ofisialy mamaritra ireo hetsika ara-panatanjahantena maneran-tany. Tsy misy hafa amin'izany ny Fiadiana Ny Ho Tompondaka Erantany FIFA 2010 any Afrika Atsimo amin'ity taona ity. Ananantsika ny singa-marika ofisialy, ny endrika famantarana ofisialy (Zakumi), ireo famantarana voapetaka ofisialy, ary amin'izao – ananantsika ny dihy ofisialy!

Ireo pejinay momba an i Lahatsary

Fantatra amin’ny teny iraisampirenena hoe video