· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Solovava tamin'ny Janoary, 2019

Ejipta: ny herin'ny vondrona sy ny hetsika amin'ny Facebook

GV Mpisolovava  17 Janoary 2019

Ao anatin'ny tontolon'ny fampitam-baovao elektronika mavitrika sy mandroso ao Ejipta, dia nanjary nampiasain'ny Ejipsiana marobe ny Facebook noho ny antony maro samihafa sy imbetsaka, indrindra rehefa hamolavola ny hevitry ny vahoaka manohitra ny governemanta Ejipsiana.

Ejipta: Lavina ny fandraofana tsy ara-dalàna ireo fitaovan'olona manokana

GV Mpisolovava  17 Janoary 2019

Ny 30 Jona 2009, notanan'ireo mpitandro filaminana ao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenenan'i Cairo ilay bilaogera, Wael Abbas,  izay manoratra matetika ny tranga fampijaliana sy ny fanararaotana ataon'ny polisy any Ejipta. Natao fikarohana ihany koa Atoa. Abbas ary nalain'ny polisy an-keriny ny solosaina findainy sy ny fananany hafa.

Yemen: Nalaina an-keriny  ny toniandahatsoratry ny tranonkalan'ny mpanohitra  

GV Mpisolovava  17 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny alin'ny zoma 18 Septambra 2009, nalain'ny mpitandro ny filaminana an-keriny tao an-drenivohitra Sana'a i Mohammed al Maqaleh, ilay toniandahatsoratry ny tranonkalan'ny Antoko Sosialista mpanohitra Yemeni  Al Eshteraki, . Araka ny tatitry ny vavolombelona nanatri-maso navoakan'ny Federasion'ny Mpanao Gazety...

Maraoka: Nesorina ny fanakanana ny YouTube

GV Mpisolovava  16 Janoary 2019

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny mey 2007) Nesorina ny fanakanana ny tranonkala fifampizarana horonantsary YouTube ary nankalaza ny fandreseny ny tontolon'ny bilaogy Maraokana ary nikasa ny hanohy ny tolona hamahana ny Google Earth sy ny Livejournal. “Nilaza i Najib Omrani, mpitondratenin'ny orinasam-pifandraisandavitra fehezin'ny fanjakana Maroc Telecom fa tsy afaka niditra tamin'ny YouTube ireo...

Tonga indray ny Komitim-Piarovana Bilaogera 

GV Mpisolovava  16 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ny Komitim-Piarovana Bilaogera (CPB), ” niverina taorian'ny fiatoana nandritra ny 1 taona mahery ilay fikambanana voalohany natokana ho an'ny fahalalahana miteny sy ny fahalalahana manokan'ny bilaogera manerantany, nitondra fifantohana ety kokoa. Ny tanjonay voalohany dia ny hiasa ho birao...

Ireo pejinay momba an i Solovava

Advocacy