Ejipta: ny herin'ny vondrona sy ny hetsika amin'ny Facebook

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2009)
eg-facebook-grp
Ao anatin'ny tontolon'ny fampitam-baovao elektronika mavitrika sy mandroso ao Ejipta, dia nanjary nampiasain'ny Ejipsiana marobe ny Facebook noho ny antony maro samihafa sy imbetsaka, indrindra rehefa hamolavola ny hevitry ny vahoaka manohitra ny governemanta Ejipsiana.

Ohatra, nanambara tamin'ny alàlan'ny minisiteran'ny serasera ny governemanta Ejipsiana vao haingana, fa hampiharina ao Ejipta ny “Fair Usage Policy (FUB)(politika fampiasana araka ny onony)”, mikendry ny hametra ny “bande passante” lanin'ny mpisera aterineto sy hamaritra ny totalin'ny votoaty azo trohina manokana. Niteraka hetsi-panoherana mahery vaika avy amin'ireo mpisera aterineto sy bilaogera ao Ejipta izany politika izany, ka nahatonga fanehoan-kevitra maro, izay nopihan'i Tarek Amr sy Marwa Rakha voalohany ato amin'ny Global Voices.

Hita taratra tamin'ny habetsahan'ny hetsika natao tao amin'ny tranokala tambajotra sosialy Facebook ity hetsi-panoherana ity, anisan'izany ny fangatahana ny hampitsaharana ny politika, hampakatra fitsarana ireo mpamatsy tolotra aterineto, tsy hividy saran'ny aterineto intsony ary hanao hetsi-panoherana eo anoloan'ny biraon'ny mpamatsy tolotra aterineto ao Ejipta. Ireo hetsika rehetra ireo dia natomboka tamin'ny alalan'ny Vondrona sy Hetsika Facebook, ary koa ny tontolon'ny bilaogy ejipsiana.

Taorian'ny hetsi-panoheran'ireo mpisera aterineto Ejipsiana sy ny bilaogera, “voatery” niala tamin'ny tetikasany ny minisitry ny serasera. Vokatr'izany dia hampiharina amin'ireo mpiserasera vaovao sy mandritra ny roa volana ihany ny Fair Usage Policy (FUB). Izay heverina fa dingana tsara ho an'ny mpiserasera amin'ny ankapobeny.

Tokony lazaina ihany koa fa tontosa ny iray amin'ireo tantara mahomby indrindra amin'ny fikatrohana an-tserasera ao Ejipta nandritra ny raharaha Emad Al Kabir, mpamily fiara fitaterana microbus, izay nampijaliana sy nanaovan'ny polisy an-keriny – sady nandrakitra an-dahatsary ny zava-nitranga tamin'ny kasety. Taorian'ny famoahana ilay horonantsarin'ny fampijaliana tao amin'ny bilaogy sy tranokala fizarana lahatsary sy noho ny fanehoan-kevitry ny daholobe ary ny tsindry tamin'ny media, voasazy higadra telo taona an-tranomaizina ilay manam-pahefana tompon'andraikitra tamin'ny fampijaliana an'i Emad Al Kabir.

Na dia mbola miezaka mifehy ny fampahalalam-baovao an-tserasera aza ny governemanta Ejypsiana ary misambotra ireo mpisera aterineto noho ny fikatrohan'izy ireo an-tserasera, mbola afaka mahatratra ny fangatahany sy mamolavola ny hevitry ny vahoaka ireo Ejipsiana mpiondana aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.