· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Solovava tamin'ny Janoary, 2019

Syria: Voasazy higadra telo taona any am-ponja ilay bilaogera Kareem Arbaji

GV Mpisolovava  31 Janoary 2019

Ny 13 Septambra 2009, nosazian'ny Fitsarana Ambony misahana ny Fiarovam-pirenena Syriana higadra telo taona an-tranomaizina ilay tanora bilaogera Kareem Arbaji noho ny "famoahana vaovao diso mety hamparefo ny fitondrantenan'ny firenena", araka ny andininy faha # 286 amin'ny fehezan-dalàna famaizana Syriana.

Vietnam: Bilaogera voasambotra noho ny fitsikerana an'i Shina

GV Mpisolovava  31 Janoary 2019

Mbola mitohy ny famoretana ataon'i Vietnam amin'ireo bilaogera. Vao marainan'ny 3 septambra, nosamborin'ny mpitandro filaminana mitam-piadiana ilay bilaogera Nguyen Nhu Quynh, natory niaraka tamin'ny zanany kely. Tamin'ny volana Jolay, nosamborina noho ny fikatrohany amin'ny fahalalaham-pitenenana ilay bilagera Nguyen Tien Trung.

Nahena ho 20 taona ny sazin'i Sayed Pervez Kambakhsh

GV Mpisolovava  31 Janoary 2019

Nofoanan'ny fitsarana avo Afghana ny fanamelohana ho faty ho an'ilay mpianatry ny asa fanaovan-gazety izay voampanga tamin'ny fanevatevana noho ny fametrahana fanontaniana tao am-pianarana momba ny zon'ny vehivavy eo ambanin'ny finoana Islamo . Saingy mbola nanameloka azy hisazy 20 taona an-tranomaizina ireo mpitsara.

Shina: Adiny iray taorian'izay, nisy naka izy

GV Mpisolovava  30 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Fisamborana bilaogera iray hafa, kisendrasendra fotsiny tamin'ity indray mitoraka ity no nahitanay izany. Andro vitsivitsy taorian'ny famaranana ny WordCamp China...

Ireo pejinay momba an i Solovava

Advocacy