Azerbaijan: Fihetsiketsehana noho ny fanagadrana ireo tanora mpikatroka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2010)
hands_off_demo
Ny Support Adnan and Emin (tohano i Adnan sy Emin) dia manazava ny antsipirian'ny fihetsiketsehana roa kasaina hatao eo ivelan'ny ambasadin'ny Repoblika Azerbaijan any Parisy, Frantsa, Londra, Angletera, ho fanohanana ireo tanora bilaogera an-dahatsary, Adnan Hajizade sy Emin Milli nogadraina. Nogadraina 2 taona sy 2 taona sy dimy volana an-tranomaizina tamin'ny fahavaratra teo izy roalahy, izay heverin'ny ankamaroan'ny mpanara-baovao fa fitsarana misy ambadika politika.

Niampanga ny didim-pitsarana ny Fiadidian'ny Vondrona Eoropeana, ny Antenimiera Parlementera ao amin'ny Filankevitr'i Eoropa (PACE), ny Fikambanana ho an'ny Fiarovana sy ny Fiarahamiasa any Eoropa (OSCE), ny Mpanara-maso ny Zon'olombelona ary ny Reporters Sans Frontières. Nanambara ny Amnesty International fa gadra noho ny fanehoan-kevitra izy roalahy. Ireo fihetsiketsehana roa ireo dia hotontosaina amin'ny 22 janoary ary tohin'ireo izay efa natao tamin'ny taona lasa.

Any Paris, hanomboka amin'ny 3 ora hariva ny hetsi-panoherana.

A 15 heures, le 22 janvier 2010, Paris participera à une série de manifestations organisées à travers le monde pour la libération des “donkey blogueurs” Adnan Hadjizadeh et Emin Milli.

Les deux jeunes vidéoblogueurs ont été condamnés, le 11 novembre 2010, par le Tribunal du district de Sabayil à Bakou, à deux ans et demi (Emin) et deux ans (Adnan) d'emprisonnement ferme pour prétendu hooliganisme.

Les blogueurs ont fait appel de ce jugement.

L'audience en appel aura également lieu vendredi prochain, 22 janvier 2010.

Tandis que les supporters d'Adnan et Emin assisteront au procès à Bakou, nous nous réunirons à Paris devant l'ambassade d'Azerbaidjan, 78 avenue d'Iena à Paris (16ème)

Rejoignez- nous en face de l'ambassade pour protester contre l’ emprisonnement arbitraire des blogueurs et appelons à leur libération immédiate.

Invitez tous vos amis.

Allons faire du bruit pour Adnan, Emin et tous ceux qui ont été punis pour avoir filmé et raconté l'injustice en Azerbaïdjan.

Amin'ny 3 ora amin'ny 22 janoary 2010, handray anjara amin'ny andiana fihetsiketsehana karakaraina manerana izao tontolo izao ho an'ny famotsorana ireo “bilaogera ampondra” Adnan Hadjizadeh sy Emin Milli i Paris

Nomelohin'ny Fitsarana ao amin'ny distrikan'i Sabayil ao Bakou higadra 2 taona (Adnan) sy 2 taona sy tapany (Emin) ireo tanora roa bilaogera an-dahatsary tamin'ny 11 novambra 2010  noho ny  “hooliganisme”.

Nampiakatra fitsarana ambony izany didim-pitsarana izany ireo bilaogera.

Amin'ny zoma 22 janoary 2010 ny fotoam-pitsarana ambaratonga ambony momba izany.

Raha hanatrika ny fotoam-pitsarana any Bakou ireo mpanohana an'i Adnan sy Emin, hihaona any Paris eo anoloan'ny ambasadin'i Azerbaidjan, 78 avenue d'Iena ao Paris (16ème) kosa isika.

Miaraha aminay eo anoloan'ny ambasady mba hanohitra ny fanagadrana tsy amin'ny antony an'ireo bilaogera ary hitaky ny famotsorana azy ireo tsy misy hatak'andro.

Asao ireo namanao.

Andeha hitababata ho an'i Adnan, Emin sy ireo voasazy noho ny fakàna sary sy fitantarana ny tsy rariny ao Azerbaïdjan.

Mandritra izany, ny fihetsiketsehana ao Londra kosa dia hanomboka amin'ny 1 atoandro.

On January 22nd, London will be part of a series of protests across the world calling for the freedom of the “Donkey Bloggers”

Join us outside the Azerbaijan Embassy to protest against the unlawful imprisonment of Adnan Hajizade and Emin Milli, and call for their immediate release.

So don your best donkey suit and invite all your friends, and let's make some noise for Adnan, Emin, and countless other unjustly imprisoned activists in Azerbaijan.

Ny 22 Janoary, ho anisan'ny andianà hetsi-panoherana manerana izao tontolo izao mitaky ny famotsorana ireo “Bilaogera Ampondra” i Londra.

Miaraha aminay ao ivelan'ny Masoivohon'i Azerbaijan ho fanoherana ny fanagadrana tsy ara-dalàna an'i Adnan Hajizade sy Emin Milli, ary hitaky ny famotsorana azy ireo tsy misy hatak'andro.

Noho izany dia hanaovy ny akanjo ampondranao tsara indrindra ary asao ireo namanao rehetra, ary andao isika hiantsoantso mafy ho an'i Adnan, Emin, sy ireo mpikatroka marobe hafa nogadraina tsy ara-drariny ao Azerbaijan.

Ny tantara momba ny raharaha dia azo jerena ato amin'ny Global Voices: Caucasus 2009 Blog Review sy ao amin'ny Threatened Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.