Ny taridia amin'ny teny frantsay ny “Mirroring a Censored WordPress Blog” (Fanadindoana bilaogy WordPress iray voasivana)

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2010)

Ny fanaovana dika mitovy (fampitomboana ho roa) bilaogy WordPress iray voasivana

fr_wordpress-refl-header-blog.png

Faly ny Global Voices Advocacy mamoaka ny torolalana Mirroring a Censored WordPress Blog (Fanadindoana bilaogy WordPress iray voasivana) amin'ny dikanteny Frantsay. Nosoratan'i Sami Ben Gharbia (talen'ny Global Voices Advocacy), niaraka tamin'i Rebekah Heacock (mpikaroka mpanampy ao amin'ny OpenNet Initiative) ary i Jeremy Clarke (developera web sy mpandravaka WordPress ao amin'ny Global Voices) ity torolalana ity, ary nadikan'ny namantsika bilaogera, Anna Guèye tamin'ny teny Frantsay.

Ity torolàlana ity dia ho an'ireo bilaogera manana “bilaogy WordPress mampiantrano tena* ary mihevitra fa mety ho bahanan'ny sivan'ny fanjakana ny tranonkalan'izy ireo. Ny tanjona dia ny hanampy ireo bilaogera hampiasa tranonkala dindo mba hahatonga ny votoaty voasivana ho hitan'ny mpamaky na dia eo aza ireo sivana ireo. Hita ao ny dingana isan'ambaratonga amin'ny fametrahana dindo ny orizinalin'ny bilaogy WordPress iray voasivana.

Introduction

When it comes to accessing banned web sites and blogs, most online free speech advocates focus on bypassing censorship using circumvention tools. While this is important, teaching Internet users how to evade censorship is not enough. Many people are not aware of or do not have access to circumvention tools, as countries that filter the Internet also tend to block proxy servers and other circumvention technologies. When circumvention tools are used, they often affect connection speeds, making Internet access even slower in places where connectivity is already poor.

To make your content accessible you cannot simply rely on circumvention technologies or the technical knowledge of your readers*. Taking your users’ needs into account and keeping ahead of the blocking efforts of their governments are the first steps toward implementing creative workarounds that make your site's content available to all potential readers, regardless of where they live.

One way to increase access to blocked sites for Internet users in countries that filter online content is through mirroring: duplicating a site's content on another domain name or subdomain. Mirror sites automatically reflect any changes made to the original site, allowing blog authors to get around censorship by providing multiple locations where readers can access their content.

Savalalana

Rehefa miditra amin'ireo tranonkala sy bilaogy voarara, dia matetika ny ankamaroan'ireo mpiaro ny fahalalaham-pitenenana antserasera no mifantoka amin'ny fialàna amin'ny sivana amin'ny alalan'ny fampiasana fitaovana fialàna sivana. Na dia zava-dehibe aza izany, dia tsy ampy ny fampianarana ireo mpiserasera aterineto ny fidifiana amin'ny sivana. Maro ny olona tsy mahafantatra na tsy afa-miditra amin'ny fitaovana fialàna sivana, satria lasa manakana ireo lohamilina proxy sy ireo teknolojia fialàna sivana ireo firenena izay manivana aterineto. Rehefa ampiasaina ny fitaovana fialàna sivana, dia matetika misy fiantraikany amin'ny hafainganam-pandehan'ny aterineto, ka mahatonga ny fidirana aterineto ho mihisatra kokoa any amin'ny toerana izay efa ratsy ny fifandraisana.

Mba hahafahana miditra amin'ny votoatinao, dia tsy afaka miankina fotsiny amin'ny teknolojia fandinganana sivana na ny fahalalana ara-teknikan'ny mpamaky* anao ianao. Ny fanomezan-danja ny filàn'ny mpiseraseranao sy ny fisorahana ny ezaka fanivanana ataon'ny fanjakana no dingana voalohany amin'ny fanatanterahana vahaolana fandinganana amin'ny fomba vaovao izay hahatonga ny votoaty ao amin'ny tranonkalanao ho hitan'ny mpamaky rehetra, na aiza na aiza misy azy ireo.

Ny fomba iray hampitomboana ny fidirana amin'ny tranokala voasakana ho an'ireo mpisera aterineto any amin'ny firenena manivana votoaty an-tserasera dia amin'ny alàlan'ny fanaovana dika mitovy (atao roa na maromaro): mametaka (mandika) ny votoatin'ny tranonkala iray amin'ny anaran-tsehatra na zanan-tsehatra iray hafa. Ny tranonkala dindo dia maneho avy hatrany izay fanovana rehetra natao tamin'ny tranonkala voalohany, ahafahan'ireo mpanoratra blaogy miala ny sivana amin'ny fanomezana toerana maro ahafahan'ny mpamaky miditra amin'ny votoatin'izy ireo.

Votoaty

  1. Mandika mitovy ny votoatinao tsy mila fanadindoana
  2. Ataovy azo antoka ny bilaoginao
  3. Fampidirana ny teknika fanivanana aterineto
  4. Mamantatra ny fomba nanakanana ny bilaoginao
  5. Manadindo ny bilaoginao WordPress
  1. Mahazo sy manamboatra ny anaran-tsehatrao na zanan-tsehatrao vaovao
  2. Mifidy, mitroka sy mametraka ny plugin fanadindoana WordPress
  3. Manamboatra ny plugin
  4. Mamaha ny loza mety hitranga amin'ny laharan'ny pejinao
  5. Milaza amin'ny mpamakinao mikasika ny tranonkala dindo

Duplication à l'identique d’un blog WordPress censuré dia azo trohana amin'ny endrika PDF. Mety mila mametraka ny Adobe Acrobat Reader maimaim-poana ianao raha hijery izany.

Trohy azafady ny torolalana ary ampio izahay amin'ny fandikana izany amin'ny fiteninao.

* Ny bilaogy WordPress mampiantrano tena dia iray amin'ireo tsy ampiantranoina ao amin'ny tolotra fibilaogina maimaim-poana WordPress.com, fa amin'ny lohamilina mitokana mampiasa ny sehatra famoahana WordPress.org. Raha mila fanazavana fanampiny dia jereo ny wordpress.org.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.