· Mey, 2019

Tantara mikasika ny Solovava tamin'ny Mey, 2019

Fikasana hetsika hanenjehana ireo bilaogera Maleziana

GV Mpisolovava  26 Mey 2019

Miatrika ny hoavy mampikorontan-tsaina noho ny governemanta mandray fepetra henjana manohitra ny bilaogy sy ny tompona tranonkala ireo bilaogera miresaka politika any Malezia na dia teo aza ny fankalazana ny fandresen'ny mpanohitra nandritra ny fifidianana tamin'ny 26 Aogositra 2008.

Tatitry ny Mpisera: Mifantoka Amin'ny Google Sy Amin'ireo Fampiasa Fandefasana Hafatra Ireo Mpanaramaso Sinoa Mialoha Ny Tsingerintaona Faha-25 -n'ny Tiananmen

GV Mpisolovava  23 Mey 2019

Manomboka ao Shina ny tatitra amin'ity herinandro ity izay nanakanan'ny governemanta ny fidirana amin'ireo tolotra Google rehetra misy soramiafina na tsia ampiasain'ny Google ao amin'ny firenena ary nambaran'ny governemanta ny fisian'ny vava-ady iray vaovao anatin'ny adiny hanoherana ireo "tsaho anaty tambajotra": fampiasa fandefasana hafatra amin'ny aterineto

Mamoaka lahatsoratra ho fanandrata-teny

GV Mpisolovava  20 Mey 2019

Faly izahay mamoaka ny Advocacy 2.0 Guide: Cross-posting ho an'ny Advocacy, Fampahafantarana ny Fampidirana Mahomby ny Media Sosialy. Manolotra fampidiran-dresaka fohy mikasika ny fomba fampiasana ny famoahana iarahana ho an'ny fanentanana antserasera momba ny fiarovana ity torolàlana ity.

Torkia: Nosakanana ny Dailymotion

GV Mpisolovava  18 Mey 2019

Nosakanana tany Torkia tamin'ny 2 Aogositra 2008 ny fidirana ao amin'ny tranonkala fizarana lahatsary frantsay Dailymotion.com. Araka ny filazan'ny Erkan Saka, bilaogera monina any Istanbul, "tsy nisy fanazavana ny fanapahan-kevitra handràra ny tranonkala."

Mibilaogy miafina anarana amin'ny WordPress & Tor nohavaozina!

GV Mpisolovava  12 Mey 2019

Faly aho manambara fa efa hita amin'ny aterineto ny torolalana mibilaogy miafina anarana miaraka amin'ny Wordpress & Tor! Nosoratan'i Ethan Zuckerman tamin'ny 13 Aprily 2005 ny drafitra voalohany tamin'izany toro-lalana izany ary nohavaozina tamin'ny 1 Oktobra 2006. Tamin'ny 8 Aogositra 2007, namoaka endrika HTML nohavaozina tamin'ny torolalana ny Global Voices Advocacy, miaraka amin'ny endrika PDF azo trohana.

Ireo pejinay momba an i Solovava

Advocacy