Tantara mikasika ny Solovava tamin'ny Aogositra, 2017
Omid Reza Mir Sayafi, Bilaogera Iraniana Maty Tany Am-Ponja

Nodimandry tao amin'ny fonjan'i Evin ao Tehran tamin'ny 18 marsa i Omid Reza Mir Sayafi, mpanao gazety sady bilaogera iraniana 29 taona. Voaheloka higadra roa taona sy tapany izy tamin'ny desambra, noho ny filazana fa nanivaiva mpitondra fivavahana sy fanaovana propagandy hamelezana ny Repoblika Islamikan'i Iran.
Mikarakara Andro Iraisampirenena Ho Firaisankina Amin'ireo Bilaogera Enjehina

Tolokevitra hametrahana andro iraisampirenena ho an'ny bilaogera enjehina
“Matroudine”, Tranonkalan'ny Mpianatra Toniziana Mitokona Tsy Hanendry Hanina Voasivana

Nobahanan'ny manampahefana toniziana ny fidirana amin'ny Matroudine, tranonkala natokana hanolotra vaovao sy fanohanana ireo mpianatra sady mpikatroka dimy avy ao amin'ny Sendikà UGET nitokona tsy hihinan-kanina ho fanoherana ny fanilihana azy ireo tsy hahazo hiditra amin'ny oniversite toniziana noho ny fikatrohana ataon-dry zareo eo anivon'ny UGET.
Bilaogera Alemàna-Ejypsiana Navotsotra Rehefa Niharan'ny Herisetra Ara-tsaina Nandritra Ny 5 Andro

Navotsotry ny manampahefana Ejiptiana ilay bilaogera Alemana-Ejiptiana Philippe Rizk tamin'ny Alarobia rehefa notànana notampena-maso nandritra ny dimy andro tany amin'ny toerana tsy fantatra ary niharan'ireo karazana herisetra ara-tsaina.
Mpanao Gazety Antserasera Yemenita Nandefa Antso Fiarovana Maika Taorian'ny Fandrahonana Azy Ho Faty sy Ny Fijirihana Ny Tranonkalany

Mohamed Al-Jabali, tonian-dahatsoratry ny tranonkala Akhbaralasr no niharam-boina farany tamin'ny onjam-pandrahonana mikendry ireo bilaogera sy mpanao gazety antserasera ao Yemen. Tamin'ny fanambarana natao omaly, niantso fiarovana i Al-Jabali rehefa nahazo fandrahonana ho faty avy amin'ireo mpitandro ny filaminan'ny fitondrana
Ejypta: Didy Vaovao Fampidirana Am-ponja an'ilay Bilaogera Efa Migadra Hatramin'ny Taona 2007

Tamin'ny fihetsika tsy nisy fanazavana, namoaka didy fanagadrana vaovao ho an'ilay bilaogera sady mpikatroka, Mos'ad Abu Fagr ny minisiteran'ny atitany Ejiptiana.
Bilaogera Ejyptiana Faharoa Voasambotra Tao Anatin'ny Herinandro

Tsy ampy herinandro akory, bilaogera Ejiptiana roa no voasambotra