· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Solovava tamin'ny Janoary, 2019

Ejypta: Bilaogera 2 Navotsotra ary iray hafa mbola tsy hita (podcast)

GV Mpisolovava  22 Janoary 2019

Navotsotra ny roa tamin'ireo bilaogera telo nosamborina tamin'ny 22 Jolay 2009. Navotsotra i Abdel Rahman Ayyash sy Magdy Saad rehefa notazonina nandritra ny enina andro tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo, ary avy eo nalefa tany amin'ny foiben'ny Sampan-draharaham-panjakana misahana ny Fitsikilovana (SSI) ao amin'ny Kianjan'i Lazoghly, (Cairo).

Ny Governemanta Ejipsiana sy ny fanagadrana mpikatroka aterineto

GV Mpisolovava  20 Janoary 2019

Antony maro sy tranga maro no nanampy tamin'ny firongatry ny haino aman-jery elektronika tany Ejipta. Ohatra, fanakorontanana ireo fampahalalam-baovao isan-karazany, toy ny gazety, fahitalavitra sy onjam-peo, ireo dingana sarotra amin'ny fananganana orinasa fampitam-baovao, fanivànana votoaty amin'ny fampitam-baovao alohan'ny famoahana, ireo karazana endrika famaizana mikendry mpanao gazety, sy ny hakelin'ny fahalalahana ary antony maro hafa.

Fisamborana an'ilay bilaogera niova fo ho Kristiana tao Arabia Saodita

GV Mpisolovava  20 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Araka ny voalazan'ny Tambajotra Arabo Misahana ny Vaovaon'ny Zon'olombelona (ANHR), nosamborin'ny manampahefana Saodiana i Hamoud Bin Saleh ilay bilaogera 28 taona ary nosakanany ny bilaoginy Masihi Saudi (Kristiana Saodiana). Nilaza ny ANHR avy eo fa nosamborina ilay bilaogera Hamoud Bin...

Lesona momba ny fanaratsiana: Blaogera avy ao Afrika Atsimo enjehina ho nanoso-potaka

GV Mpisolovava  18 Janoary 2019

Taorian'ny nanoratan'i Donn Edwards, Afrikana Tatsimo iray, teo amin'ny blaoginy momba ireo tetika fanaovana varotra mampiahiahy an'ilay orinasa antsoina hoe Quality Vacation Club, nenjehina araka ny lalàna izy hoe nanao fanalàm-baraka. Nadika ho toy ny raharaha manohitra an'ireo blaogera rehetra ao Afrika Atsimo izany ka dia natomboka ny anentanana iray ho fanohanana azy, sy vondrona iray tao amin'ny Facebook ary ampolony mahery ireo blaogera ampolony no nanoratra mikasika tranga io. Ho an'ireo blaogera, indreto lesona vitsivitsy mikasika ny fanaratsiana sy fanalambaràka.

Savalalana fampahafantarana momba ny fibahanana ao Ozbekistany

GV Mpisolovava  18 Janoary 2019

Amin'izao fotoana izao ny bilaogera Ozbeka manana olona amin'ny fanavaozana ny bilaoginy. Indraindray ry zareo mba amoahana torohay no mandefa imailaka izany amin'ny namany monina ivelan'i Ozbekistana izay mamoaka izany ho hitan'ny besinimaro. Mampihena ny fombafomba demaokratika ao amin'ny firenena izany.

Ireo pejinay momba an i Solovava

Advocacy