Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Avrily, 2023
Mety tsy ho voamarika izahay, fa misy olona manana fahasembanana tsy hita maso‘
Ny olona manana aretina toy ny aotisma ny fahaketrahana, ny androbe, ny endometriozy, na ny diabeta dia samy manana ny zavatra iombonany: fahasembanana tsy hita maso.
Tantaran'ny Okraniana iray tompon'andraikitra tao amin'ny faritra tsy azo aleha ao Chornobyl, teo ambany fibodoana Rosiana
Hitany sy fantany fa mikisaka mankao anatin'ilay faritra tsy azo aleha ireo Rosiana ka tandindonin-doza. Afaka nilaza tamin'izy ireo izy, saingy tsy nisy nanontany.
Ampy ho an'ny hetsika soca roa lehibe ve ny ‘Zoma mahafinaritra rehefa ‘ Fetiben'i Trinidad & Tobago ?
Nanambara ny hisian'ny fampisehoana amin'ny Zoman'ny Karnavaly 2023 i Machel Montano, mifandona amin'ny hetsika International Soca Monarch izay atao tamin'io andro io ihany. Mandanjalanja ireo mpankafy Soca.
Sarimihetsika enina momba ireo vondrom-piarahamonina ao Azia-Pasifika miatrika ny olan'ny toetrandro
Asongadin'ireto sarimihetsika ireto ny tantaran'ireo vondrom-piarahamonina miady amin'ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro, sy ny fanaingàny fanahy hanana fanantenana hiatrehana ny olan'ny toetrandro amin'ny alàlan'ny ezaka ataony sy ny firaisankinan-dry zareo
Mpihazakazaka Trinbagoniana maka fotoana hakana sary ny hazo poui
Iray amin'ireo endrika mahafinaritra indrindra amin'ny vanin-taona maina ao Trinite sy Tobago ny famonin'ny poui.
‘Tantaram-pitiavana ao amin'ny firenena feno fankahalana’: mpikatroka nogadraina tany Rosia noho ny ‘propagandy’ LGBTQ
Ankoatra ny sivana miely patrana, mitarika teritery tsy mbola nisy toy izany amin'ny olona LGBTQ+ sy ireo fikambanana manampy azy ireo ny lalàna Rosiana momba ny “fampielezan-kevitra iadiana amin'ny LGBT”.
‘Tsy maintsy mirotsaka anaty sendikà isika,’ hoy ilay arzantina feminista sady mpikaroka
"Tsy isalasalana fa andalam-pametrahana amin'izao fotoana izao ny fototry ny fiovàna lalina amin'ny andraikitry ny vehivavy any anatin'ireo lafiny rehetra amin'ny fiarahamonina."
« Tsy hanoratra momba ity ady ity intsony aho » hoy ny Okrainiàna iray mpanoratra malaza fa lasa miaramila
Tsy azoko antoka hoe fotoana toy inona no ilaiko hahatakarana ny zava-nitranga niorim-paka tao anatinay nandritra ny volana maro nisian'ny ady tanteraka, ifanandrinan'i Rosia tamin'i Okraina
Antenain'ilay mpanao firavaka hampisy fiantraikany hatrany ny Lalan'ny Hazofijaliana nomeny ho an'ny fiangonana iray ao Trinidad
Niasa tamin'ny varahina sy varahimaitso mba hamoronana sary miavaka ho an'ny fiangonan'ny fahazazany ilay mpanao firavaka Gillian Bishop.
Inona no antony ao ambadiky ny firongatry ny heloka bevava ao Sainte-Lucie ?
Mitombo ao Sainte-Lucie ny herisetra ataona andian-jiolahy, voalaza fa misy ifandraisany amin'ny fanondranana zava-mahadomelina. Mbola mailo hatrany ny tsirairay taorian'ireo andiana vono olona nisesisesy tamin'ny tapaky ny Martsa tao Vieux-Fort.