· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Janoary, 2011

Maldiva: Ho Firaisankina amin'i Ejipta

  31 Janoary 2011

Ny hetsi-panoherana mitranga any Ejipta dia toy ny ‘herinaratra’ namely ny mponin'ny aterineto tao Maldiva. Ireny fitroarana ireny dia nanana ny dikany manokana mihitsy satria namelona indray ny fahatsiarovana ny hetsi-panoheran'ireo mpandàla ny demaokrasia vao taona vitsy lasa monja izay mba hamerenana ny demaokrasia ao amin'ity tangoro-nosy mitambatra ho firenena iray ao amin'ny Ranomasimbe Indiana ity.

Shina: Mampita ireo vaovao avy any Ejipta

GV Mpisolovava  30 Janoary 2011

Ny 28  Janoary, rehefa nitondra fanamarihana mikasika ny toe-draharaha ara-politika any Ejipta ny mpitondra tenin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny Sinoa dia niteny fa hitohy hanohana ny governemanta Ejiptiana amin'ny fihazonana ny lamina ara-tsosialy ny governemanta Sinoa ary manohitra ny fijabahan'ny vahiny any Ejipta. Nanomboka teo, ny teny hoe “Ejipta” dia voasakana any...

Iran: Mampahatsiahy indrindra ny “hetsika maitso” tany Iran ny fijoroana any Ejipta

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny Fanoherana any Ejipta 2011. Ho an'ny ankamaroan'ny mpamaham-bolongana Iraniana dia mampahatsiahy indrindra ny “Hetsika Maitso” tany Iran taorian'ny fifidianana tamin'ny 2009 ity Hetsi-panoherana Ejipsiana sy ny fampiasana ny valan-tserasera ity. Tahaka izany ihany koa ny nataon'ny fitondrana Ejipsiana naka tahaka ny tany Iran rehefa mamaly bontana...

Voasakana ny vohikala Blogspot any Kambodza

  30 Janoary 2011

Nosakanana ireo vohikala Blogspot tany Cambodge rehefa nibaiko mpamatsy aterineto maro ny fitondràna hanakana ny blaogy malaza mpanohitra ny fanjakàna, KI Media. Efa "tsy voasakana" intsony ireo vohikala nefa matahotra ireo mpampiasa aterineto momba ity sivana aterineto tsy nanam-paharoa tany amin'ny firenena ity.

Ireo pejinay momba an i Blaogy

Lahatsoratra ahitana endrika fampitan-kafatra maromaro na sary na lahatsary na feo na rakitra hafa.