Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Aogositra, 2013
LAHATSARY: Diabem-Pireharehana 2013 Ao Vietnam
Handinika ny volavolan-dalàna momba ny ny fanambadian'ny olona mitovy fitaovam-pananahana i Vietnam atsy ho atsy. Saingy omena toerana amin'izany ve ny olana manodidina ireo LGBT?
SARIPIKA: Mametraka an-tSarintany ny Zavakanto An-Tanandehibe ao Buenos Aires sy ny Ankoatra Azy
Misy vondrona Argentines iray manasa anao hizara sy hametraka an-tsarintany ny saripikan'ny graffiti hita ao amin'ny tanànanao.
Mpiaro Ny Zon'Olombelona Saodiana Niatrika Ny Haratsian'ny Mpanao Fanadihadiana Sy Ny Mpitsara
I Umar Al-Saeed no mpikambana tanora indrindra ao amin'ny ACPRA niatrika ny fitsarana sy voagadra noho ny heviny sy ny hafanam-pony. Any am-ponja izy satria tsy nety hanaovana fanadihadiana tsy miaraka amin'ny mpisolovava azy.
Navoaka Ny Fonja i Amina, Mafana Fo Toniziana Ao Amin'ny FEMEN
Namoaka didy famotsorana an'ilay mafana fo Amina Sboui vao 19 taona ny fitsarana Toniziana, mafana fo iray ao amin'ilay fikambanam-behivavy Okraniana mpanao hetsi-panoherana FEMEN. Ankehitriny mirona any amin'i Jabeur Mejri, izay nigadra noho ny fanaovana sarimiaina an'ilay Mpaminany Muhammed.
Te-hanara-maso Ireo Resadresaka Ao Amin'ny Rindrambaiko LINE I Thailandy
Nokasaina hanaraha-maso ireo fandrahonanany fiandrianam-pirenena anaty Aterineto izany volavolan-dalàna izany. 15 tapitrisa ireo olona mampiasa ny LINE ao Thailandy.
Any Costa Rica, Mampihaona Ny Teknolojia Sy Ny Fanaovan-gazety Ny Vehivavy
Vaovao hafa avy amin'ny "Knight Fellow" Mariana Santos sy ny tetikasa Chicas Poderosas, izay mitondra vehivavy maro hafa anatin'ny fanaovan-gazety fanangonana. Nifantoka tamin'ny fomba hampihaonana miaraka ny tetikasa fanaovan-gazety fanangonana ny hetsika farany notanterahin'izy ireo tany Costa Rica.
Bangladesh : Tsy Afaka Miatrika Fifidianana Ny Antoko Jamaat-e-Islami
Nataon'ny didim-pitsaràna miatrika tsikera misavovona be noho ny fanoheranay ny fahaleovantenan'i Bengladesh ny antoko, ary ireo mpitarika dia voampanga ho nanao heloka bevava tamin'ny ady.
Kerala Fanjakana Atsimo Andrefan'i India : Fihotsahan'ny Tany Nahafaty Olona No Nateraky Ny Oran'ny Talio
Ratsy ny fandehan'ny talio tao amin'ny fanjakan'i Kerala any India tamin'ity taona ity, ravan'ny safodrano sy fihotsahan'ny tany sady nahafaty olona ilay faritra.
Singapore : Loha Sola Ho Fanairana Hanohanana Ireo Ankizy Mararin'ny Homamiadana
Nahasintona olona maherin'ny 6.000 ilay hetsika fanasolàna loha izay mikendry ny hanangonam-bola sy fampiroboroboana ny fanentanana momba ny homamiadana mpahazo ny ankizy.
Zimbaboe: Mbola Te-Ho Filoha Fanimpitony Ny Filoha Mugabe
I Mugabe no hany filohan'ny firenena hatramin'ny nahazahoany ny fahaleovantenany tamin'ny 1980.