· Septambra, 2012

Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Septambra, 2012

Jery Todika Momba Ireo Nahazo ny Famatsiana Nandritra Ny Fihaonambe

Rising Voices  29 Septambra 2012

Nahaliana olona maro avy amin'ireo firenena avy ao Afrika Atsinanana, i Oganda sy Kenya ilay fifaninanana famatsiam-bola madiniky ny Rising Voices 2012. Efa nanana traikefa tamin'ireo fanohanana tetikasa eran-tany ny Rising Voices teo aloha, ny tarika mpanao tantara an-tsehatra mpanintona olona, Repacted avy any Nakuru, Kenya dia iray amin'ireo voalohany notohanana tamin'ny 2007....

Lahatsary: Fanadihadiana Fohy Mampisongadina Mpanankato Venezoeliana

  28 Septambra 2012

Tamin'ny alalan'ny kaonty YouTube azy ireo no amoahan'ny ekipa ekipam-pamoronana Mostro Contenidos, andian-dahatsary fanadihadiana antsoina hoe ‘Memorabilia‘ [es, en] , izay ampisehoan'izy ireo andian-tafatafa fohy niarahana tamin'ireo olo-malaza Venezoelana izay miavaka ao an-toerana na manerantany- amin'ny sarimihetsika, fialam-boly, ary ny zava-kanto. Tao anatin'ny lahatsary fampahafantarana no namariparitan'ny ekipa ny fomba nahafahany nanangona ireo...

Shina : Mampiahiahy ny fiverenan’ny Maoïsta Nandritra ny Fihetsiketsehana Manohitra ny Japoney

  28 Septambra 2012

Mpanao fihetsiketsehana maoïsta no nibaha-toerana nandritra ny hetsika goavana manohitra ny japoney izay nitranga tao Shina tamin’ny 15 hatramin’ny 18 septembra 2012, nisy ny filanjana ny saritavan’ny filoha Mao nandritra ny filaharambe sy ny fiventsona ny hira taloha ho fanomezam-boninahitra ny mpanorina ny firenena. Ho an’ireo manampahaizana marobe, mampanembona ny fahatsiarovana mangidy...

Zambia: Nodimandry Ny Vadin'ny Filoham-pirenena Teo Aloha

  28 Septambra 2012

Alahelo lehibe no tazana manerana ny tambajotra sosialy tamin’ny Alarobia 19 Septambra 2012, taorian’ny vaovao momba ny fahafatesan’ ilay ramatoa vadin’ny filoham-pirenena Zambiana teo aloha, Betty Kaunda. Vadin’ny filoha voalohany tao Zambia, Dr Kenneth Kaunda izy, izay nitondra ny firenena nanomboka ny taona 1964 hatramin’ny taona 1991, tafala teo amin’ny fitondrana...

Nakaton'Iran Ny Fidirana Amin'ny Google sy Gmail

Fahavalon'ny fahalalaham-pitenenana ny fitondrana Iraniana nandritra ny taompolo maro, saingy tamin'ny Alahady 23 Septambra 2012 lasa teo, vao maika talanjona ny maro raha nanambara ny fitondrana fa hanomboka hanivana ny Google sy Gmail izy ireo afaka ora vitsy. Nanambaora [fa] ny manampahefana Iraniana iray,  Abdolsamad Khoramabadi fa noho ny fangatahan'ny vahoaka...

Iran: Andro fanoherana ny herisetra atao amin’ny biby

Tamin’ny taon-dasa tao Iran, orsa volontsôkôlà sy ny zanany kely niharan’ny herisetra sy novonoina no hita tamin’ny kamerà, izay tahaka ireny lalao “mpihaza” ao Samirom, Isfahan ireny. Tafintohina tamin’izany ireo Iraniana maro avy amin’ny toera-tsamihafa. Nozarain’ny vondrona mpiaro ny zon’ny biby tamin’ny 20 septambra 2011 ilay lahatsary ahitana ny famonoana ireo...

Nanao Ahoana Ny Valin'ny Fifaninanan-Kira Uganda@50 ?

  22 Septambra 2012

Nahazo ny fahaleovantenany i Ogandà tamin'ny 9 Oktobra 1962, ka feno 50 taona izany amin'ity taona ity. Maro ny fandaharan'asa tanterahina amin'izany manerana ny firenena ka tafiditra ihany koa ny hira. Saingy misy ny fifanipaha-kevitra momba ny hira navoaka...

Ireo pejinay momba an i Blaogy

Lahatsoratra ahitana endrika fampitan-kafatra maromaro na sary na lahatsary na feo na rakitra hafa.