Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Mey, 2014
Mahatsiaro Ny Loza Nitranga Tamin'ny Lalao Baolina Kitra Tao Limà, 50 Taona Lasa Izay
Tamin'ny 24 May 1964, olona 300 no maty tao amin'ny Kianja Nasionaly tao Limà, maro ireo olona nitsoaka ny baomba mandatsa-dranomaso ary voahitsakitsaka satria nihidy ireo varavaran'ny kianja.
Fanamby : Nanala Ny Voaliny Ny Vehivavy Iraniana
Nanao fanamby nanala ny voaliny daholo ireo vehivavy Iraniana mpikatroka mafàna fo mba hanoherana ny fanavakavahana ataon'ny fanjakana amin'ny vehivavy. Jereo hoe ahoana ny nandikàn'izy ireo ny lalàna sy ny niatrehany ary nandefasany ny sariny tao amin'ny aterineto.
Kolonely Breziliana, Maty Iray Volana Taorian'ny Niekeny Fa Nampijaly Olona Izy
Nisy namono tao an-tranony tamin'ny volana Aprily i Paulo Malhães, miaramilam-panjakana misotro ronono, 76 taona. Niaiky izy tamin'ny volana Martsa, fa nampijaly ary namono olona nandritra ny fotoana mainty nisian'ny jadona teo amin'ny firenena.
Manindry Mafy ny WeChat Sy ny Fampihatra Hafa Fizarana Hafatra Eo Noho Eo i Shina
Manenjika ireo sehatra fandefasan-kafatra tonga eo noho eo i Shina mialoha ny tsingerintaona faha-25 ny fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia notontosaina teo amin'ny kianjan'i Tiananmen.
Nandresy Tamin'ny Fifidianana Ho Filoha Ejipsiana i Sisi; Fahatelo Kosa no Misy An'i Sabahi Hany Mpifaninana Aminy
Nandresy be ny Jeneraly Abdel Fattah Al-Sisi, nanamontsana an'i Hamdeen Sabahi, hany mpifaninana aminy izay tafiditra ho laharana fahatelo. Nivoaka ny ampaham-bokatra taorian'ny telo andro nifidianana. Voatatitra fa nahazo ny 93,3 isan-jaton'ny vato i Sisi, naka ny laharana fahatelo koa i Hamdeen ary ny 3,7 isanjaton'ny vato manankery no azony.
SARY: Olona Niisa 20.000, Nanao Fihetsiketsehana Tao Makaô, Nanohitra Ny ‘Volavolan-Dalàna Hanangonan-karena Hatrany Sy Tombontsoa’
Volavolan-dalàna manome alalana ny filohan'ny governemanta ao Makaô, izay faritra manana rafi-pitantanana manokana ao Shina, ho tsy azo enjehana araky ny lalàna sady manome hery azy sy ahazoany tombontsoa isam-bolana ihany na dia miala amin'ny toerany aza izy.
Chile: Manao Fihetsiketsehana Sy Mitaky Fanavaozana Ny Fampianarana Ny Mpianatra
Notontosaina tamin'ny 8 Mey 2014 tao amin'ny faritra maromaro tao Chile ny diaben'ny mpianatra hoan'ny fampianarana maimai-poana, izay nahitana fandraisana anjara mavitrika. Saingy maloky ny fanakorontanana izany.
Mpianatra Nahita “Momie” Nandritra Ny Fikarohana Nataon'Izy Ireo Tao Amorontsirak'i Chile
Nahita karaña ireo mpianatra avy ao amin'ny Akademian'ny Arkeolojia ao amin'ny Sekoly Amerikana iray raha hijery izay sisa tavela taorian'ny hovitrovitry ny tany tamin'ny volana Avrily tao Avaratr'i Chile .
Mpihira Hafa ao Shina Nosamborina Noho Ny Fanandratana Ny Mari-Panondroana Sy Ny Kolontsaina Tibetana
Manaraka ny fisamborana tany Shina an'ilay Tibetana mpihira Gepe ny fitetezana ny lahatsary YouTube-n'ny hiran'ireo nosamborina tahaka izany.
“Nahoana i Edward Snowden No Maniry Hitady Fialokalofana Any Polonina”
Nanakoako indray tamin'ny alalan'ny dokambarotra diso toerana i Edward Snowden