· Avrily, 2009

Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Avrily, 2009

Madagasikara: Manitsakitsaka ny fahafahana maneho hevitra ny governemanta tetezamita

  30 Avrily 2009

Mampidi-doza ny fahafahana maneho hevitra aty Madagasikara ny fanapahan-kevitra noraisin'ny governemantan'i Andry Rajoelina, filoha mpitarika ny Fitondrana Avon'ny Tetezamita. Ny voalohany amin'izany dia ny fisamborana mpanao fihetsiketsehana 3, ny malaza amin'ireny dia Razily, ilay tovolahy hita amin'ny sary mihetsika fa nitondra sainam-pirenena, talohan'ny nanipazana azy tao anaty fiara sy novonoin'ny...

Madagasikara: manahy ny hiverenan'ny korontana ny mponina taorian'ny fialan'ny filoham-pirenena

  23 Avrily 2009

Ankehitriny dia ny anankiray izany (Rajoelina). Tonga eo amin'ny fiafarany ny fifandrohitana fahefana teto Madagasikara hatramin'ny volana janoary no mankaty. Omaly alarobia mantsy, taorian'ny fanandramana nataon'ireo mpanara-dia an'i Andry Rajoelina hanala an-dRavalomanana eo amin'ny fitondrana, dia nandray ny fanapahana ny lapam-panjakana tao Ambohitsirohitra ny tafika, izay lasa niandany tamin'i Andry...

Ireo antony sy ny vokatry ny fanonganam-panjakana taty Madagasikara

  23 Avrily 2009

Taorian'ny famindram-pahefana natao ny 17 martsa taty Madagasikara dia nihamafy hatrany ny korontana tao amin'ity nosy ity. 15 000 no isan'ny olona tsy nanaiky iny fanonganam-panjakana iny no nanamarika efa ho enina andro izao ary notifirin'ny miaramila tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso efa ho 3 andro tsy an-kiato izao. Ny 28 martsa...

I Rosia, i Iokraina, ny helotanin’ny Balkana: Vaovao entin’ny Eurovision

  17 Avrily 2009

Efa ho tapitra ny fifandirana nentin’ny fifaninana hira tao anatin’ny sehatra Eurovision ao Georgia(na, nohon’ny fomba fijerin’ny sasany, dia tonga teny amin’ny teboka farany ambony izany), satria moa ankehitriny dia nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin’ny ity sehatra izay tontosaina amin’ny herintaona ao Moscow ity intsony I Georgia, dia ity manaraka ity no fangatahan’ny firaisan’ny fampielezam-peo Eropeana izay fantatra fa nanova ny tononkira mitondra ny lohateny hoe “We Don’t Wanna Put In” (tsy ilainay Put In) na mety hafa mihintsy ilay hira nampidirina. Kanefa dia nahitana fifandirana ihany koa ny hira nampidirin’ny Rosia ankehitriny

Tsy faly i Sina

  16 Avrily 2009

Song Qianga (中國可以說不), iray amin’ireo mpanoratra be mpividy indrindra tamin'ny 1996 Afaka miteny Tsia i Sina(中國可以說不), dia namoaka boky vaovao, Tsy faly i  Sina (中國不高興), miaraka amina mpanoratra malaza hafa. Ny boky voalohany dia nivoaka taorinan’ny fandarohana baomba ny kaonsily jeneralin’ny Sina tany Yougoslavie nataon'ny OTAN izay nampisafoaka ny mponina...

RDC: Mandroba tranon'olona ireo miaramila tsy mandray karama

  14 Avrily 2009

Ny herinandro lasa teo dia nolazain'ny fampielezam-peo Radio Okapi fa mpikambana ao amin'ny FRADC, miaramila any Repoblika Demôkratika Kongo, no nandroba trano maro tany Kirumba, 200km any avaratry Goma. Ireo miaramila, izay tsy nandray karama nandritra ny 3 volana izay, no mangalatra vola, telefona sy ireo fitaovana eletronika: D’autre part,...

Cambodge: Ny toe-javatra mazava mandritra ny fitsarana ny Khmer Rouge

  03 Avrily 2009

Naka feo ireo mpitarika tao amin'ny Khmer Rouge izay misalasala ny fahampian'ny porofo hanamelohana ireo mpikambana dimy mandritra ny fotoam-pitsarana ny Khmer Rouge ny VOA Khmer. Nilaza ny heviny ny jeneraly Sok Pheap, niataka tamin'ny Khmer Rouge ny taona 1996, Tsy fantatro izay mpamono olona; miaramila tany an'ala aho, ary...

Ireo pejinay momba an i Blaogy

Lahatsoratra ahitana endrika fampitan-kafatra maromaro na sary na lahatsary na feo na rakitra hafa.