Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Aogositra, 2022
Japoney mpanao gazety, notazonin'i Myanmar fa nandrakitra hetsipanoherana
"Takianay ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fiarovana ireo mpanao gazety ao Myanmar ary any ivelany"
Fiakaran'ny ranomasina manosika ny vehivavy any Bangladesh hihinana pilina (fanafody) manakana fadimbolana
Ankizivavy sy vehivavy maro any amin'ny faritra amorontsirak'i Bangladesh izay tsy mahazo rano madio no mihinana fanafody fandrindram-piterahana, matetika angalarina amin'ny vehivavy manambady mba hampitsaharana ny fadim-bolana.
Mitohy ny fitiliana COVID na eo aza ny fiakaran'ny hafanàna, ny haintany, ny fahatapahan-jiro sy ala may
Nizaka onjan-kafanana sy haintany henjana be tsy mbola nisy teo amin'ny tantarany i Shina. Na izany aza, tsy nahasakana azy tsy hiroso amin'ny fanaovana fitiliana COVID-19 manerana ny firenena anefa ireo loza voajanahary
Any Tiorkia, ampiasaina hanivanana ny votoaty an-tserasera ny soatoavina ara-pivavahana
N,y Lehiben'ny Fampanoavana ao Istanbul milaza fa neken'ilay vovonana fandefasana streaming ara-mozika ireo lisitra filalao izay "nanevateva ny soatoavina ara-pivavahana sy ireo tomponandraiki-panjakana".
Rosia, Shina, Afghanistan ary ireo firenena hafa ao Azia Afovoany : ny fifindra-monina sy ny asa an-terivozona-fanandevozana ara-nofo
Heverina ho singa manamora ny vondron'olona marefo ho eo am-pelatanan'ny fanondranana olona an-tsokosoko ny krizy ara-toekarena, ny fampihenana ny fandaniam-bolam-panjakana ary ny tsy fisian'ny asa.
Dia mamakivaky an'i Himalaya hitady holatra
Himalaya : andiany iray mpahay momba ny holatra, nisy Nepaley sy Amerikàna, no namantatra karazany miisa 150 nandritra ny dia naharitra telo herinandro nataon-dry zareo nankeny amin'ny toeram-pitobiana tao Mont Everest.
Mpitsikera an'i Marcos-Duterte nosamborina noho ny fanalam-baraka anjotra ao Filipina
Fampisehoana mahatalanjona tokoa ny firaisan-kina ho fiarovana ny soatoavina iombonana! Amin’ny firaisankina tahaka izao, ahoana no mety haharesy antsika?
Manao fihetsiketsehana manohitra ny fanamelohana ho faty ao Myanmar ireo mpikatroka Nepaley
Tamin'ny 26 Jolay, nidina an-dalambe tao Kathmandu ireo Nepaley mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona hanohitra ny fanamelohan’ny fitondrana miaramila ao Myanmar ho faty ireo mpikatroka demaokratika efatra.
Niverina ny diam-pireharehana Prague rehefa naaton'ny valan'aretina nandritra ny roa taona: Andra-tsary
Heverina ho anisan'ny goavana indrindra tao Eoropa Afovoany, niverina an-dalambe ny Reharehan'i Prague tamin'ny 13 Aogositra rehefa niato roa taona, ka nahazo olona enina alina teo ho eo.
Nahazo fanovan'endrika graffiti marevaka ny lamasinin'ny Oniversiten'i Chittagong malaza
Iray amin'ireo oniversite vitsivitsy eto amin'izao tontolo izao manana fiaran-dalamby manokana izay vao nolokoana graffiti marevaka ny Anjerimanontolon'i Chittagong.