Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Blaogy

23 Jolay 2019

I Barbados ve no ho firenena Karaiba voalohany hanafoana ny fanadinana fidirana amin'ny sekoly ambaratonga faharoa?

"Mendrika fanabeazana tsara kalitao izay manomana azy amin'ny FIAINANA ny ankizy tsirairay. Fa nahoana isika no manana rafitra iray izay mahatonga ireo zanatsika hihevi-tena ho adala raha toa izy ireo tsy tafita ho amina "sekoly tsara iray"?

Mozika sy dihy Dangdut ao Singapaoro ary ireo rehetra mikasika ny trano

Singapaoro , toerana iray tsara hitrandrahana ireo kanto avy amin'ny manerana an'i Azia Atsimo-Atsinanana manontolo. Nentin'ny blaogera iray ao amin'ny licencetospill tany amin'ny klioba Dangdut iray ireo namany sasantsasany. Ny Dangdut dia endrika mozika avy any Indonezia.

22 Jolay 2019

Mandeha an-tongotra amin'ny araben'i Japan ao amin'ny YouTube miaraka amin'i Rambalac

"Ho fanalana andro sy ho antony fanampiny hivoahako ny trano fotsiny no nanombohako nandraketako horonantsary ny fandehandehanako an-tongotra."

21 Jolay 2019

Victoria Espinosa: Faraveloma ho an'ilay Puerto Rikàna mpilalao teatira, tsy nahalala sasatra

Mahatsiaro ireo lova navelan'ilay artistra fantadaza ry zareo Puerto Rikàna

18 Jolay 2019

Famoretana taorian’ny fifidianana tany Maoritania : nesorina ny sakana tamin'ny Aterineto saingy mbola notànana ny mpanao gazety 

GV Mpisolovava

Mbola nanohy ny famerana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalaham-pitenenana izay anisan'ny famoretana taorian’ny fifidianana ny governemanta na dia teo aza ny fiafaran’ny fanakatonana ny Aterineto naharitra 10 andro.

12 Jolay 2019

Mampiseho ny fanaovan’ny governemanta antsirambina ny toeram-bakoka any Bangladesh ny fandravana ny tranobe tranainy efa 150 taona

"Nanana endrika niavaka izay tsy fahita firy amin’ireo tranobe hafa hita any amin’ireo faritra tranainy ao Dhaka ny tranobe. Noho izany, nilaina ny fanarenana azy."

Mifanamby amin'ny mponiny ny tanàna Espaniola mba hihena 100.000 kg ao anatin'ny roa taona

Nametraka fanamby manokana ho an'ireo mponina ao aminy ny tanànan'i Narón, Espaina, ao amin'ny faritra misy an'i Galicia: very 100.000 kilao ao anatin'ny roa taona. An-dalana ho tratra izany tanjona izany

10 Jolay 2019

Mitambatra hanohitra ny fanilikilihana anti-LGBTQ+ i Myanmar taorian'ny fahafatesan'ilay tanora pelaka, mpiandraikitra tranomboky iray

Fifohazana masiaka manoloana ny fihoarana iaretan'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ + any Myanmar ny fahafatesan'i Kyaw Zin Win. Saingy naneho fotoana tsy fahita firy mba hitambarana sy hiresahana momba ny fanamafisana ny fanentanana ho fiarovana ny zon'olombelona ho an'ny LGBTQ+ tsirairay ny fanohanan'ny vahoaka sy ny firaisankina tsy nampoizina taorian'ny nahafatesany.

09 Jolay 2019

Zo hahazo vaovao: Manoloana ny lalàna vaovao momba izany, hanara-dia an'i Nizeria ve i Ghana?

GV Mpisolovava

Manamafy ny UNESCO fa "ampahany feno amin'ny zon'ny fahalalahana maneho hevitra ny fahalalahana hahazo vaovao." Ao amin'ny faritra, voasoratra ao amin'ny Sata Afrikanina momba ny Zon'olombelona sy ny Vahoaka sy ny Fanambarana ny fitsipika momba ny Fahalalahana maneho hevitra ao Afrika ny zo ho an'ny fahalalahana maneho hevitra.

Milalao tsy araka ny fanjakazakan-dehilahy: maka ny ‘toerana natokana ho an'ny lehilahy’ ny tovovavy Miozolomana tamin'ny filalaovam-baolina

Raha maro ny olona no mihevitra fa hevitra nofinofy ny fitovian'ny lahy sy ny vavy eo amin'ny fanatanjahantena dia nisy ny hetsika mihamitombo izay nahitana ny vahoaka niroso tamin'ny firesahana sy ny famahana ny olana momba ny fanjakazakan-dehilahy.