Tantara mikasika ny Blaogy tamin'ny Mey, 2018
Kamerona: Fanehoankevitra Tamin'ilay Fifidianana An'i Obama
"4 taona lasa izay, tsy fantatr'izao tontolo izao i Obama, nandrasa ny anarany tamin'ireo mpanao gazety, ankehitriny lasa filohan'ny firenena matanjaka indrindra erantany izy. Ity fifidianana ity, ity fiakarana haingana dia haingana ity dia manaitra antsika zanak'i Afrika, satria na eo aza ny fijaliana sy ny tsy fananana asa iainantsika, mila mitazona ity ''fahasahiana manantena'' ity toa an'i Barack isika.''
Serbia: Etazonia An'i Barack Obama, Zava-baovao Iray Ho An'izao Tontolo Izao?
Barack Obama no filoham-pirenena vaovao ao Etazonia. Heveriko fa tsy mety hisy zava-baovao ho an'i Serbia izany (na inona na inona, mivantana be) satria tsy hiova ny politika amerikana mikasika an'i Serbia sy Kosovo. Na izany aza, raha toa tena manaja ireo fampanantenany tamin'ireo fifidianana ny filoham-pirenena vaovao dia tokony hihatsara ny toe-draharaha eran'izao tontolo izao, na ho kely monja aza, ary noho izany ho an'i Serbia koa fa tsy mivantana.
Brezila: Toro-hevitra hiatrehana ny krizy avy amin'ilay mpivarotra popcorn an-dalambe
Talohan'ny fanombohan'ny krizy ara-toekarena manerantany, an-dalana ho lasa mpandraharaha malaza ao amin'ny firenena ilay Breziliana mpivarotra an-dalambe iray tamin'ny fanaovana zavatra iray: mivarotra popcorn, miaraka amin'ny fahaizana manokana.
Famehezana ny Tontolon'ny Blaogy Poloney
"Fandresena kely, sy tsy maharitra ho an'ireo 'mpikatroka amin'ny 'click'' anefa raha araka ny Poland IP, izany no porofo toy ny fomba ara-drariny hanehoana hevitra sy hikarakarana ny fanoheran'ny vahoaka no fahitàn'ny vondrona mpitsikera ao Polonina ny aterineto."
Inona No Novakian'ireo Mpamaky Ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 20-27 Mey 2018?
Nandritra ny herinandron'ny 21-27 Mey 2018, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena 206 ny lahatsoratra sy ny fandikan-teny navoakanay. Isa 19 ao anatin'ny lisitra? Libanona. Ary faha-198? ny Nosy Faroe.
Afrika Atsimo: Mahita marimaritra iraisana ao anatin'ny “ady ara-pirazanana”
Tsy daltoniana tokoa ny Afrikana Tatsimo. Ny efa-polo taonan'ny apartheid no niantoka fa raiki-tapisaka ao am-po sy ny sain'ny olom-pirenena maro ao Mzansi (araka ny ahafantarana ny firenena ao an-toerana) ny hevitra momba ny firazanana. Ny fiandohan'ny demokrasia tamin'ny taona 1994 no niteraka fanantenana ho an'ny fiarahamonina mitovy.
Costa Rica: Miangavy An'i Dalaï Lama Ny Filoham-pirenena Arias Mba Hanemotra Ny Fitsidihany
Tena mila fitandremana ny tsy maintsy hisafidianana amin'ireo namana roa ho asaina amina fety. Nefa tsy maintsy izay, no nataon'ny filoham-pirenena an'i Costa Rica.
Paragoay: Mitsipaka Tsy Handray Ny Karamany Ny Filoham-pirenena Vaovao
Ho avy amin'inona tokoa moa izany no hiatrehan'ny Filoham-pirenena Paragoaiana ny fiainany, eny na dia tsy manana ankohonana ahiana aza izy.
Alaska: Lasa toerana fivahinianana masina ny bisy 142 tao amin'ny sarimihetsika “Into the Wild”
Ny 24 Aogositra 2009, tanora roa mpanao dia an-tongotra lavitra no very tany amin'ny lalankely Stampede akaikin'i Fairbanks, tany Alaska. Nitatitra ireo mpiambina izay nahatsikaritra azy ireo fa nanao akanjo tsotra fanaovana eny an-dalambe izy ireo ary tsy nisy afa-tsy sakafo kely niaraka taminy.
Hindi: Rano, daoty, tsenam-bola sy ny hafa
Ary toa araka ny fahitana azy, tsy mandeha tsara ny zava-drehetra any amin'ny Tsenam-bola manerana izao tontolo izao ary tahaka izany ny mitranga ao amin'ny tsenam-bola Indiana roa lehibe